NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Vonona ve Ianao?
Vonona ve ianao raha misy loza araka ny natiora any amin’ny faritra misy anareo? Mety hitranga tampoka sady handravarava ny horohoron-tany, rivo-doza, ary tondra-drano. Mety hitranga na aiza na aiza sy amin’ny fotoana tsy ampoizina koa ny asa fampihorohoroana, korontana, ary areti-mifindra. (Mpto 9:11) Tsy tokony hieritreritra isika hoe tsy hisy an’izany mihitsy any amintsika.
Mila manao an’izay azontsika atao isika mba hiomanana amin’ny loza. (Oh 22:3) Marina hoe manampy ny fandaminana rehefa mitranga ny loza. Tokony hiomana foana anefa isika. Andraikitsika tsirairay izany.—Ga 6:5.
ALEFASO ILAY VIDEO HOE VONONA VE IANAO RAHA MISY LOZA ARAKA NY NATIORA MITRANGA?, ARY VALIO IRETO:
Nahoana no tena ilaina ny mifandray akaiky amin’i Jehovah dieny mbola tsy mitranga ny loza?
Nahoana no zava-dehibe ny...
• mifampiresaka foana amin’ny anti-panahy alohan’ny hitrangan’ny loza, mandritra an’ilay izy, ary aorian’ilay loza?
• manomana kitapo misy ny zavatra tena ilaina?—g17.5 6
• mandinika hoe inona avy ny loza mety hitranga, ary inona no azo atao amin’ny toe-javatra tsirairay?
Inona ny fomba telo azontsika anampiana an’ireo tra-boina?