HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | EKSODOSY 17-18
Mampiofana sy Mizara Andraikitra ny Olona Manetry Tena
Hita hoe manetry tena sy be fitiavana ary mahatsinjo lavitra ireo rahalahy za-draharaha, raha mampiofana sy mizara andraikitra amin’ny tanora. Ahoana no hanaovana an’izany?
Jereo hoe iza no azo omena andraikitra fanampiny
Hazavao tsara aminy izay tokony hataony
Omeo azy izay rehetra ilainy mba hamitana an’ilay izy, ohatra hoe vola na fitaovana na zavatra hafa
Jereo ny fandrosoany, ary teneno izy hoe matoky ianao fa ho vitany ilay andraikitra
SAINTSAINO IZAO: ‘Inona no andraikitra azoko ampanaovina olon-kafa?’