Alarobia 9 Jolay
Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Mba tsarovy re aho ka omeo hery azafady indrindra e!—Mpits. 16:28.
Inona no tonga ao an-tsainao rehefa maheno hoe Samsona? Olona matanjaka be angamba. Marina izany. Nandray fanapahan-kevitra ratsy anefa izy, dia nizaka vokany mangidy. Na izany aza, dia tsy nivadika izy tamin’ny ankapobeny, ary izay no tena nifantohan’i Jehovah. Nasainy nosoratana tao amin’ny Baiboly mihitsy aza ny tantarany mba hahasoa antsika. Ny Israelita no vahoaka nofidin’i Jehovah, ary nampiasa an’i Samsona izy mba hanatanterahana zavatra mahavariana ho an-dry zareo. Taonjato maro taorian’ny nahafatesan’i Samsona, dia nasain’i Jehovah nampidirin’ny apostoly Paoly tao amin’ny lisitry ny olona nanam-pinoana miavaka ny anarany. (Heb. 11:32-34) Afaka mampahery antsika ny modeliny. Niantehitra tamin’i Jehovah mantsy izy, na dia tao anatin’ny sarotra aza. Mampahery antsika ny ohatra nomen’i Samsona. w23.09 37:1-2
Alakamisy 10 Jolay
Ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo.—Fil. 4:6.
Vao mainka isika hahay hiaritra, rehefa miresaka matetika amin’i Jehovah an’izay mampanahy antsika. (1 Tes. 5:17) Mbola tsy miatrika fitsapana mafy angamba ianao izao. Na izany aza, dia mitady ny tari-dalan’i Jehovah ve ianao isaky ny tezitra, na very hevitra, na mahatsiaro ho tsy afa-manoatra? Raha zatra mangataka ny fanampian’Andriamanitra ianao rehefa miatrika olana madinidinika isan’andro, dia tsy hisalasala hanao an’izany rehefa miatrika olana lehibe kokoa. Hatoky ianao amin’izay fa fantany tsara hoe rahoviana sy amin’ny fomba ahoana no hanampiana anao. (Sal. 27:1, 3) Azo inoana kokoa hoe hahavita hiatrika ny fahoriana lehibe isika raha miaritra fitsapana dieny izao. (Rom. 5:3) Nahoana? Betsaka ny mpiara-manompo nahita fa ny fitsapana tsirairay niaretany no nanampy azy hiatrika ny manaraka. Nanatsara ny toetrany ny fiaretana, sady vao mainka nahatonga an-dry zareo hino hoe vonona sy te hanampy azy i Jehovah. Ny finoana indray avy eo no nanampy azy hiaritra ny fitsapana manaraka.—Jak. 1:2-4. w23.07 29:7-8
Zoma 11 Jolay
Noho ianao dia tsy horavako io tanàna resahinao io.—Gen. 19:21.
Manetry tena sy mangoraka i Jehovah, ka izany no mahatonga azy hahay handanjalanja. Niharihary, ohatra, hoe manetry tena izy tamin’izy handringana ny ratsy fanahy tao Sodoma. Naniraka anjely i Jehovah mba hanome toromarika an’ilay olo-marina antsoina hoe Lota. Nasainy nitsoaka tany amin’ny faritra be tendrombohitra izy. Natahotra ny ho any anefa i Lota, ka niangavy tamin’i Jehovah mba havela handositra tao Zoara izy mianakavy. Tanàna kely efa hoe haringana io Zoara io. Afaka nisisika i Jehovah hoe harahin’i Lota an-tsakany sy an-davany ny toromarika nomeny. Nanaiky ny fangatahan’i Lota anefa izy, na dia nidika aza izany hoe tsy horinganina indray i Zoara. (Gen. 19:18-22) Nangoraka ny mponin’i Ninive koa i Jehovah, taonjato maro tatỳ aoriana. Naniraka an’i Jona mpaminany izy mba hilaza fa kely sisa dia horavana ilay tanàna ary horinganina ny ratsy fanahy tao. Rehefa nibebaka anefa ny Ninivita, dia nalahelo an-dry zareo i Jehovah ka tsy nandrava an’ilay tanàna indray.—Jona 3:1, 10; 4:10, 11. w23.07 32:5