FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Mbum
  • Androany

Talata 8 Jolay

Ho avy ... ny andron’i Jehovah.​—1 Tes. 5:2.

Noharin’i Paoly tamin’ny olona renoky ny torimaso ireo tsy ho tafavoaka velona amin’ny andron’i Jehovah. Tsy mahalala an’izay mitranga manodidina azy na ny fandehan’ny fotoana ny olona matory. Tsy hitany àry izay zava-dehibe mitranga sady tsy afaka manao zavatra mifanaraka amin’izany izy. Matory ara-panahy koa izao ny ankamaroan’ny olona. (Rom. 11:8) Tsy raharahian-dry zareo ny porofo hoe efa “andro farany” izao, ary kely sisa dia ho tonga ny fahoriana lehibe. (2 Pet. 3:3, 4) Isika kosa mahalala fa vao mainka tokony hifoha foana isika isaky ny mandalo ny andro tsirairay, araka ny lazain’ny Baiboly. (1 Tes. 5:6) Tsy maintsy tony sy tsy taitaitra àry isika. Nahoana? Amin’izay isika tsy midikiditra amin’ny adihevitra momba ny politika sy ny fiaraha-monina. Vao mainka hotaomin’ny olona hiandany amin’izany mantsy isika, arakaraka ny anatonan’ny andron’i Jehovah. Tsy tokony hanahy anefa isika hoe ahoana no hatao. Afaka manampy antsika ho tony sy hilamin-tsaina ny fanahin’Andriamanitra, ka handray fanapahan-kevitra tsara isika.​—Lioka 12:11, 12. w23.06 26:6-7

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alarobia 9 Jolay

Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Mba tsarovy re aho ka omeo hery azafady indrindra e!​—Mpits. 16:28.

Inona no tonga ao an-tsainao rehefa maheno hoe Samsona? Olona matanjaka be angamba. Marina izany. Nandray fanapahan-kevitra ratsy anefa izy, dia nizaka vokany mangidy. Na izany aza, dia tsy nivadika izy tamin’ny ankapobeny, ary izay no tena nifantohan’i Jehovah. Nasainy nosoratana tao amin’ny Baiboly mihitsy aza ny tantarany mba hahasoa antsika. Ny Israelita no vahoaka nofidin’i Jehovah, ary nampiasa an’i Samsona izy mba hanatanterahana zavatra mahavariana ho an-dry zareo. Taonjato maro taorian’ny nahafatesan’i Samsona, dia nasain’i Jehovah nampidirin’ny apostoly Paoly tao amin’ny lisitry ny olona nanam-pinoana miavaka ny anarany. (Heb. 11:32-34) Afaka mampahery antsika ny modeliny. Niantehitra tamin’i Jehovah mantsy izy, na dia tao anatin’ny sarotra aza. Mampahery antsika ny ohatra nomen’i Samsona. w23.09 37:1-2

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alakamisy 10 Jolay

Ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo.​—Fil. 4:6.

Vao mainka isika hahay hiaritra, rehefa miresaka matetika amin’i Jehovah an’izay mampanahy antsika. (1 Tes. 5:17) Mbola tsy miatrika fitsapana mafy angamba ianao izao. Na izany aza, dia mitady ny tari-dalan’i Jehovah ve ianao isaky ny tezitra, na very hevitra, na mahatsiaro ho tsy afa-manoatra? Raha zatra mangataka ny fanampian’Andriamanitra ianao rehefa miatrika olana madinidinika isan’andro, dia tsy hisalasala hanao an’izany rehefa miatrika olana lehibe kokoa. Hatoky ianao amin’izay fa fantany tsara hoe rahoviana sy amin’ny fomba ahoana no hanampiana anao. (Sal. 27:1, 3) Azo inoana kokoa hoe hahavita hiatrika ny fahoriana lehibe isika raha miaritra fitsapana dieny izao. (Rom. 5:3) Nahoana? Betsaka ny mpiara-manompo nahita fa ny fitsapana tsirairay niaretany no nanampy azy hiatrika ny manaraka. Nanatsara ny toetrany ny fiaretana, sady vao mainka nahatonga an-dry zareo hino hoe vonona sy te hanampy azy i Jehovah. Ny finoana indray avy eo no nanampy azy hiaritra ny fitsapana manaraka.​—Jak. 1:2-4. w23.07 29:7-8

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara