FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Mbum
  • Androany

Alatsinainy 7 Jolay

Manompoa an’i Jehovah sady mifalia. Mankanesa eo anatrehany sady mihobia.​—Sal. 100:2.

Tian’i Jehovah ho faly manompo azy isika, ary hanao an’izany an-tsitrapo. (2 Kor. 9:7) Tokony hiezaka hanatratra ny tanjontsika ara-panahy ihany àry ve isika, na dia rehefa tsy te hanao an’izany aza? Eritrereto i Paoly. Izao no nolazainy: “Feheziko mafy ny vatako ka andevoziko.” (1 Kor. 9:25-27, f.a.p.) Nanery tena hanao an’izay tsara izy, na dia rehefa tsy te hanao an’izany aza. Nankasitraka ny fanompoany ve i Jehovah? Mazava ho azy! Namaly soa azy aza izy noho ny ezaka nataony. (2 Tim. 4:7, 8) Faly koa i Jehovah rehefa mahita antsika miezaka manatratra ny tanjontsika, na dia rehefa tsy te hanao an’izany aza. Fa maninona? Satria fantany ny antony mahatonga antsika hiezaka. Hainy hoe tsy voatery ho tiantsika foana ny manao an’ilay zavatra, nefa ataontsika ihany satria tiantsika izy. Hitahy antsika i Jehovah rehefa miezaka isika, hoatran’ny nitahiany an’i Paoly. (Sal. 126:5) Mety haniry hanatratra an’ilay tanjona amin’izay aza isika, rehefa hitantsika hoe mitahy antsika izy. w23.05 24:9-10

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Talata 8 Jolay

Ho avy ... ny andron’i Jehovah.​—1 Tes. 5:2.

Noharin’i Paoly tamin’ny olona renoky ny torimaso ireo tsy ho tafavoaka velona amin’ny andron’i Jehovah. Tsy mahalala an’izay mitranga manodidina azy na ny fandehan’ny fotoana ny olona matory. Tsy hitany àry izay zava-dehibe mitranga sady tsy afaka manao zavatra mifanaraka amin’izany izy. Matory ara-panahy koa izao ny ankamaroan’ny olona. (Rom. 11:8) Tsy raharahian-dry zareo ny porofo hoe efa “andro farany” izao, ary kely sisa dia ho tonga ny fahoriana lehibe. (2 Pet. 3:3, 4) Isika kosa mahalala fa vao mainka tokony hifoha foana isika isaky ny mandalo ny andro tsirairay, araka ny lazain’ny Baiboly. (1 Tes. 5:6) Tsy maintsy tony sy tsy taitaitra àry isika. Nahoana? Amin’izay isika tsy midikiditra amin’ny adihevitra momba ny politika sy ny fiaraha-monina. Vao mainka hotaomin’ny olona hiandany amin’izany mantsy isika, arakaraka ny anatonan’ny andron’i Jehovah. Tsy tokony hanahy anefa isika hoe ahoana no hatao. Afaka manampy antsika ho tony sy hilamin-tsaina ny fanahin’Andriamanitra, ka handray fanapahan-kevitra tsara isika.​—Lioka 12:11, 12. w23.06 26:6-7

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alarobia 9 Jolay

Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Mba tsarovy re aho ka omeo hery azafady indrindra e!​—Mpits. 16:28.

Inona no tonga ao an-tsainao rehefa maheno hoe Samsona? Olona matanjaka be angamba. Marina izany. Nandray fanapahan-kevitra ratsy anefa izy, dia nizaka vokany mangidy. Na izany aza, dia tsy nivadika izy tamin’ny ankapobeny, ary izay no tena nifantohan’i Jehovah. Nasainy nosoratana tao amin’ny Baiboly mihitsy aza ny tantarany mba hahasoa antsika. Ny Israelita no vahoaka nofidin’i Jehovah, ary nampiasa an’i Samsona izy mba hanatanterahana zavatra mahavariana ho an-dry zareo. Taonjato maro taorian’ny nahafatesan’i Samsona, dia nasain’i Jehovah nampidirin’ny apostoly Paoly tao amin’ny lisitry ny olona nanam-pinoana miavaka ny anarany. (Heb. 11:32-34) Afaka mampahery antsika ny modeliny. Niantehitra tamin’i Jehovah mantsy izy, na dia tao anatin’ny sarotra aza. Mampahery antsika ny ohatra nomen’i Samsona. w23.09 37:1-2

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara