FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Mbum
  • Androany

Zoma 11 Jolay

Noho ianao dia tsy horavako io tanàna resahinao io.​—Gen. 19:21.

Manetry tena sy mangoraka i Jehovah, ka izany no mahatonga azy hahay handanjalanja. Niharihary, ohatra, hoe manetry tena izy tamin’izy handringana ny ratsy fanahy tao Sodoma. Naniraka anjely i Jehovah mba hanome toromarika an’ilay olo-marina antsoina hoe Lota. Nasainy nitsoaka tany amin’ny faritra be tendrombohitra izy. Natahotra ny ho any anefa i Lota, ka niangavy tamin’i Jehovah mba havela handositra tao Zoara izy mianakavy. Tanàna kely efa hoe haringana io Zoara io. Afaka nisisika i Jehovah hoe harahin’i Lota an-tsakany sy an-davany ny toromarika nomeny. Nanaiky ny fangatahan’i Lota anefa izy, na dia nidika aza izany hoe tsy horinganina indray i Zoara. (Gen. 19:18-22) Nangoraka ny mponin’i Ninive koa i Jehovah, taonjato maro tatỳ aoriana. Naniraka an’i Jona mpaminany izy mba hilaza fa kely sisa dia horavana ilay tanàna ary horinganina ny ratsy fanahy tao. Rehefa nibebaka anefa ny Ninivita, dia nalahelo an-dry zareo i Jehovah ka tsy nandrava an’ilay tanàna indray.​—Jona 3:1, 10; 4:10, 11. w23.07 32:5

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Asabotsy 12 Jolay

Novonoin’izy ireo [i Joasy] ... dia nalevina ..., saingy tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.​—2 Tan. 24:25.

Hoatran’ny hazo zara raha namaka i Joasy, dia tsy afaka nijoro tsara raha tsy nisy tohana. Rehefa tsy teo intsony ilay tohana, izany hoe i Joiada, ka nitsoka ny rivotry ny fivadiham-pinoana, dia nianjera izy. Inona àry no tokony hahatonga antsika hatahotra an’Andriamanitra, raha ny tantaran’i Joasy no jerena? Tokony hiankina fotsiny amin’ny modely omen’ny Kristianina hafa ve izany, anisan’izany ny fianakaviantsika? Tsia. Isika mihitsy no tokony hiezaka ho tia sy hatahotra an’i Jehovah, raha te hifandray akaiky aminy foana. Ahoana no hanaovantsika an’izany? Mila mianatra tsy tapaka sy misaintsaina ary mivavaka isika. (Jer. 17:7, 8; Kol. 2:6, 7) Tsy mitaky be loatra amintsika i Jehovah raha ny marina. Voafintina ao amin’ny Mpitoriteny 12:13 ny zavatra takiny. Izao no voalaza ao: “Matahora an’ilay tena Andriamanitra ka ankatoavy ny didiny. Izany mantsy no adidy lehibe indrindra tokony hataon’ny olombelona.” Rehefa matahotra an’Andriamanitra isika, dia hahavita hiatrika an’izay fitsapana ho avy, ka tsy hivadika aminy. Tsy misy na inona na inona hahavita hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, fa hinamana aminy foana isika. w23.06 27:17-19

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alahady 13 Jolay

Ataoko vaovao ny zava-drehetra.​—Apok. 21:5.

Izao no fiantombohan’ilay antoka avy amin’Andriamanitra: “Hoy Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana.” (Apok. 21:5a) Intelo ihany ny bokin’ny Apokalypsy no milaza hoe miteny ao anatina fahitana i Jehovah, ary io no voalohany amin’izany. Tsy anjely mahery àry na hoe i Jesosy natsangana tamin’ny maty no nanome an’ilay antoka, fa i Jehovah mihitsy! Miharihary amin’izany fa tena azo antoka izay holazainy aorian’izay. Fa maninona? Satria i Jehovah “tsy mahay mandainga.” (Tit. 1:2) Izany no manaporofo fa azo itokisana tanteraka izay voalazan’ny Apokalypsy 21:5, 6. Izao no resahin’ilay andininy avy eo: “Ataoko vaovao ny zava-drehetra.” (Apok. 21:5b) Marina hoe zavatra mbola amin’ny hoavy no lazain’i Jehovah eo, fa aminy anefa dia tena azo antoka io fampanantenana io ka ataony hoatran’ny hoe efa mitranga mihitsy ilay izy.​—Isaia 46:10. w23.11 46:7-8

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara