Asabotsy 12 Jolay
Novonoin’izy ireo [i Joasy] ... dia nalevina ..., saingy tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.—2 Tan. 24:25.
Hoatran’ny hazo zara raha namaka i Joasy, dia tsy afaka nijoro tsara raha tsy nisy tohana. Rehefa tsy teo intsony ilay tohana, izany hoe i Joiada, ka nitsoka ny rivotry ny fivadiham-pinoana, dia nianjera izy. Inona àry no tokony hahatonga antsika hatahotra an’Andriamanitra, raha ny tantaran’i Joasy no jerena? Tokony hiankina fotsiny amin’ny modely omen’ny Kristianina hafa ve izany, anisan’izany ny fianakaviantsika? Tsia. Isika mihitsy no tokony hiezaka ho tia sy hatahotra an’i Jehovah, raha te hifandray akaiky aminy foana. Ahoana no hanaovantsika an’izany? Mila mianatra tsy tapaka sy misaintsaina ary mivavaka isika. (Jer. 17:7, 8; Kol. 2:6, 7) Tsy mitaky be loatra amintsika i Jehovah raha ny marina. Voafintina ao amin’ny Mpitoriteny 12:13 ny zavatra takiny. Izao no voalaza ao: “Matahora an’ilay tena Andriamanitra ka ankatoavy ny didiny. Izany mantsy no adidy lehibe indrindra tokony hataon’ny olombelona.” Rehefa matahotra an’Andriamanitra isika, dia hahavita hiatrika an’izay fitsapana ho avy, ka tsy hivadika aminy. Tsy misy na inona na inona hahavita hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, fa hinamana aminy foana isika. w23.06 27:17-19
Alahady 13 Jolay
Ataoko vaovao ny zava-drehetra.—Apok. 21:5.
Izao no fiantombohan’ilay antoka avy amin’Andriamanitra: “Hoy Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana.” (Apok. 21:5a) Intelo ihany ny bokin’ny Apokalypsy no milaza hoe miteny ao anatina fahitana i Jehovah, ary io no voalohany amin’izany. Tsy anjely mahery àry na hoe i Jesosy natsangana tamin’ny maty no nanome an’ilay antoka, fa i Jehovah mihitsy! Miharihary amin’izany fa tena azo antoka izay holazainy aorian’izay. Fa maninona? Satria i Jehovah “tsy mahay mandainga.” (Tit. 1:2) Izany no manaporofo fa azo itokisana tanteraka izay voalazan’ny Apokalypsy 21:5, 6. Izao no resahin’ilay andininy avy eo: “Ataoko vaovao ny zava-drehetra.” (Apok. 21:5b) Marina hoe zavatra mbola amin’ny hoavy no lazain’i Jehovah eo, fa aminy anefa dia tena azo antoka io fampanantenana io ka ataony hoatran’ny hoe efa mitranga mihitsy ilay izy.—Isaia 46:10. w23.11 46:7-8
Alatsinainy 14 Jolay
Nivoaka tany ivelany izy sady nigogogogo nitomany.—Mat. 26:75.
Niady tamin’ny fahalemeny ny apostoly Petera. Ireto misy ohatra: Notenenin’i Petera mafy i Jesosy, rehefa nanazava taminy hoe hijaly sy ho faty araka ny resahin’ny faminanian’ny Baiboly. (Mar. 8:31-33) Imbetsaka koa izy sy ny apostoly hafa no niady hevitra hoe iza no lehibe indrindra. (Mar. 9:33, 34) Ary inona no nitranga ny alina talohan’ny nahafatesan’i Jesosy? Taitaitra be i Petera dia nanapaka ny sofin’ny lehilahy iray. (Jaona 18:10) Raiki-tahotra koa izy tamin’io alina io, dia intelo nanda ho tsy nahalala an’i Jesosy, nefa mpinamana ry zareo. (Mar. 14:66-72) Nigogogogo nitomany izy vokatr’izany. Kivy tanteraka ilay apostoly, nefa tsy nahafoy azy i Jesosy. Rehefa avy natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia nataony izay hahafahan’i Petera hampiseho hoe mbola tia azy izy. Nasainy niandry ny andian’ondriny izy, dia nanaiky. (Jaona 21:15-17) Tany Jerosalema izy tamin’ny andro Pentekosta, ary anisan’ireo voalohany voahosotry ny fanahy masina. w23.09 40:6-7