FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Mbum
  • Androany

Alahady 13 Jolay

Ataoko vaovao ny zava-drehetra.​—Apok. 21:5.

Izao no fiantombohan’ilay antoka avy amin’Andriamanitra: “Hoy Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana.” (Apok. 21:5a) Intelo ihany ny bokin’ny Apokalypsy no milaza hoe miteny ao anatina fahitana i Jehovah, ary io no voalohany amin’izany. Tsy anjely mahery àry na hoe i Jesosy natsangana tamin’ny maty no nanome an’ilay antoka, fa i Jehovah mihitsy! Miharihary amin’izany fa tena azo antoka izay holazainy aorian’izay. Fa maninona? Satria i Jehovah “tsy mahay mandainga.” (Tit. 1:2) Izany no manaporofo fa azo itokisana tanteraka izay voalazan’ny Apokalypsy 21:5, 6. Izao no resahin’ilay andininy avy eo: “Ataoko vaovao ny zava-drehetra.” (Apok. 21:5b) Marina hoe zavatra mbola amin’ny hoavy no lazain’i Jehovah eo, fa aminy anefa dia tena azo antoka io fampanantenana io ka ataony hoatran’ny hoe efa mitranga mihitsy ilay izy.​—Isaia 46:10. w23.11 46:7-8

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alatsinainy 14 Jolay

Nivoaka tany ivelany izy sady nigogogogo nitomany.​—Mat. 26:75.

Niady tamin’ny fahalemeny ny apostoly Petera. Ireto misy ohatra: Notenenin’i Petera mafy i Jesosy, rehefa nanazava taminy hoe hijaly sy ho faty araka ny resahin’ny faminanian’ny Baiboly. (Mar. 8:31-33) Imbetsaka koa izy sy ny apostoly hafa no niady hevitra hoe iza no lehibe indrindra. (Mar. 9:33, 34) Ary inona no nitranga ny alina talohan’ny nahafatesan’i Jesosy? Taitaitra be i Petera dia nanapaka ny sofin’ny lehilahy iray. (Jaona 18:10) Raiki-tahotra koa izy tamin’io alina io, dia intelo nanda ho tsy nahalala an’i Jesosy, nefa mpinamana ry zareo. (Mar. 14:66-72) Nigogogogo nitomany izy vokatr’izany. Kivy tanteraka ilay apostoly, nefa tsy nahafoy azy i Jesosy. Rehefa avy natsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia nataony izay hahafahan’i Petera hampiseho hoe mbola tia azy izy. Nasainy niandry ny andian’ondriny izy, dia nanaiky. (Jaona 21:15-17) Tany Jerosalema izy tamin’ny andro Pentekosta, ary anisan’ireo voalohany voahosotry ny fanahy masina. w23.09 40:6-7

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Talata 15 Jolay

Andraso àry ny ondrikeliko.​—Jaona 21:16.

Nampirisika ny anti-panahy hoatr’azy ny apostoly Petera hoe: “Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra.” (1 Pet. 5:1-4) Raha anti-panahy ianao, dia fantatray hoe tianao ny rahalahy sy anabavinao ary te hiandry an-dry zareo ianao. Indraindray anefa ianao mety hahatsapa hoe tery be ny fotoananao na reraka be ianao, dia tsy mahavita ny andraikitrao. Inona àry no azonao atao? Aborahy amin’i Jehovah izany. Hoy i Petera: “Raha misy manompo, dia aoka izy hanompo sady hiantehitra amin’ny hery omen’Andriamanitra.” (1 Pet. 4:11) Marina hoe mety tsy ho voavaha tanteraka aloha amin’izao ny olana atrehin’ny rahalahy sy anabavinao. Tadidio anefa fa afaka manampy an-dry zareo mihoatra noho izay azonao atao “ilay lehiben’ny mpiandry”, izany hoe i Jesosy Kristy. Afaka manao an’izany izy dieny izao sy any amin’ny tontolo vaovao. Izao fotsiny no angatahin’Andriamanitra amin’ny anti-panahy: Ny ho tia ny rahalahy sy anabaviny, dia hiandry an-dry zareo, ary “ho modely ho an’ny andian’ondry.” w23.09 41:13-14

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara