FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Androany

Zoma 18 Jolay

Nanao antsika ho fanjakana sy mpisorona ho an’ilay Andriamanitra Rainy [izy].​—Apok. 1:6.

Voahosotry ny fanahy masina ny mpianatr’i Kristy vitsivitsy, ary tena miavaka ny fifandraisan-dry zareo amin’i Jehovah. Miisa 144 000 ry zareo, ary ho mpisorona any an-danitra miaraka amin’i Jesosy. (Apok. 14:1) Natsangan’Andriamanitra ho zanany ara-panahy ry zareo raha mbola eto an-tany, ary izay no mifanitsy amin’ilay Masina ao amin’ny tranolay masina. (Rom. 8:15-17) Ilazana ny lanitra fonenan’i Jehovah kosa ilay Masina Indrindra. Ary midika inona ilay “ridao” nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra? Ny vatan’i Jesosy. Hoatran’ny hoe sakana tsy nahafahan’i Jesosy niditra tany an-danitra mba ho Mpisoronabe ambony ao amin’ilay tempoly ara-panahy mantsy ny vatany, tamin’izy mbola nofo aman-dra. Rehefa nanolotra ny tenany ho sorona ho an’ny olombelona anefa izy, dia nanokatra ny lalana ho amin’ny fiainana any an-danitra ho an’ny Kristianina voahosotra rehetra. Tsy maintsy nafoin-dry zareo koa ny vatana ara-nofo nananany, mba hahazoany an’ilay valisoany any an-danitra.​—Heb. 10:19, 20; 1 Kor. 15:50. w23.10 45:13

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Asabotsy 19 Jolay

Tsy ho ampy ny fotoana raha hotantaraiko daholo ny momba an’i Gideona.​—Heb. 11:32.

Nanetry tena i Gideona ka tony foana rehefa nanakiana azy ny Efraimita. (Mpits. 8:1-3) Tsy tezitra mihitsy izy namaly an-dry zareo. Nanetry tena kosa izy ka nihaino tsara ny fitarainan’ny Efraimita sady tsara fanahy rehefa niresaka, dia nihatony ry zareo. Manahaka an’i Gideona ny anti-panahy hendry, ka mihaino tsara ny hafa sady malemy fanahy rehefa misy manakiana. (Jak. 3:13) Manampy ny fiangonana mba hihavana ry zareo amin’izay. Ahoana no nataon’i Gideona rehefa nomena voninahitra izy satria nandresy an’ireo Midianina? Nataony izay hifantohan’ny olona tamin’i Jehovah. (Mpits. 8:22, 23) Ahoana no anahafan’ny rahalahy voatendry an’i Gideona? I Jehovah foana no tokony homeny voninahitra rehefa mahavita zavatra izy. (1 Kor. 4:6, 7) Ahoana, ohatra, raha misy midera ny anti-panahy iray satria mahay mampianatra? Afaka milaza izy hoe avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ireny fampianarana ireny, sady ampiofanin’ny fandaminan’i Jehovah daholo isika. Ilain’ny anti-panahy indraindray ny mandinika hoe sao dia te hisongadina izy. w23.06 25:7-8

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alahady 20 Jolay

Ny fihevitro ... tsy mba fihevitrareo.​—Isaia 55:8.

Raha tsy azontsika izay nangatahintsika tamin’ny vavaka, dia mila mieritreritra isika hoe: ‘Mety ve ilay zavatra angatahiko?’ Matetika isika no mieritreritra hoe isika no mahalala an’izay mahasoa antsika indrindra. Tsy voatery hahasoa antsika foana anefa izay nangatahintsika, rehefa mandeha ny fotoana. Raha momba ny olana iray no ivavahantsika, dia mety hisy vahaolana tsara kokoa amin’ilay izy noho ilay angatahintsika amin’i Jehovah. Mety tsy hifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah koa ny zavatra sasany tiantsika ho azo. (1 Jaona 5:14) Diniho ny ohatry ny ray aman-dreny nangataka tamin’i Jehovah mba tsy hiala amin’ny fahamarinana mihitsy ny zanany. Hoatran’ny hoe mety izany. Tsy manery an’iza na iza hanompo azy anefa i Jehovah. Tiany hifidy hanompo azy kosa isika rehetra, anisan’izany ny zanatsika. (Deot. 10:12, 13; 30:19, 20) Inona àry no azon’ilay ray aman-dreny angatahina amin’i Jehovah? Hoe mba ampiany izy mivady hanohina ny fon’ny zanany, amin’izay izy ho tia an’i Jehovah sy ho lasa namany.​—Ohab. 22:6; Efes. 6:4. w23.11 49:5, 12

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara