FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Androany

Asabotsy 19 Jolay

Tsy ho ampy ny fotoana raha hotantaraiko daholo ny momba an’i Gideona.​—Heb. 11:32.

Nanetry tena i Gideona ka tony foana rehefa nanakiana azy ny Efraimita. (Mpits. 8:1-3) Tsy tezitra mihitsy izy namaly an-dry zareo. Nanetry tena kosa izy ka nihaino tsara ny fitarainan’ny Efraimita sady tsara fanahy rehefa niresaka, dia nihatony ry zareo. Manahaka an’i Gideona ny anti-panahy hendry, ka mihaino tsara ny hafa sady malemy fanahy rehefa misy manakiana. (Jak. 3:13) Manampy ny fiangonana mba hihavana ry zareo amin’izay. Ahoana no nataon’i Gideona rehefa nomena voninahitra izy satria nandresy an’ireo Midianina? Nataony izay hifantohan’ny olona tamin’i Jehovah. (Mpits. 8:22, 23) Ahoana no anahafan’ny rahalahy voatendry an’i Gideona? I Jehovah foana no tokony homeny voninahitra rehefa mahavita zavatra izy. (1 Kor. 4:6, 7) Ahoana, ohatra, raha misy midera ny anti-panahy iray satria mahay mampianatra? Afaka milaza izy hoe avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ireny fampianarana ireny, sady ampiofanin’ny fandaminan’i Jehovah daholo isika. Ilain’ny anti-panahy indraindray ny mandinika hoe sao dia te hisongadina izy. w23.06 25:7-8

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alahady 20 Jolay

Ny fihevitro ... tsy mba fihevitrareo.​—Isaia 55:8.

Raha tsy azontsika izay nangatahintsika tamin’ny vavaka, dia mila mieritreritra isika hoe: ‘Mety ve ilay zavatra angatahiko?’ Matetika isika no mieritreritra hoe isika no mahalala an’izay mahasoa antsika indrindra. Tsy voatery hahasoa antsika foana anefa izay nangatahintsika, rehefa mandeha ny fotoana. Raha momba ny olana iray no ivavahantsika, dia mety hisy vahaolana tsara kokoa amin’ilay izy noho ilay angatahintsika amin’i Jehovah. Mety tsy hifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah koa ny zavatra sasany tiantsika ho azo. (1 Jaona 5:14) Diniho ny ohatry ny ray aman-dreny nangataka tamin’i Jehovah mba tsy hiala amin’ny fahamarinana mihitsy ny zanany. Hoatran’ny hoe mety izany. Tsy manery an’iza na iza hanompo azy anefa i Jehovah. Tiany hifidy hanompo azy kosa isika rehetra, anisan’izany ny zanatsika. (Deot. 10:12, 13; 30:19, 20) Inona àry no azon’ilay ray aman-dreny angatahina amin’i Jehovah? Hoe mba ampiany izy mivady hanohina ny fon’ny zanany, amin’izay izy ho tia an’i Jehovah sy ho lasa namany.​—Ohab. 22:6; Efes. 6:4. w23.11 49:5, 12

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alatsinainy 21 Jolay

Miezaha foana ... hifampionona.​—1 Tes. 4:18.

Nahoana ilay hoe mampionona ny hafa no fomba lehibe ampisehoana fitiavana? Milaza ny boky iray momba ny Baiboly fa ilay teny hoe ‘mampionona’ nampiasain’i Paoly, dia midika hoe ‘mijoro eo anilan’ny olona iray mba hampaherezana azy rehefa mandalo fitsapana mafy izy.’ Rehefa mampionona mpiara-manompo manana olana àry ianao, dia manampy azy hiarina sy handeha eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana foana. Isaky ny miombom-pihetseham-po amin’ny rahalahy na anabavy iray ianao, dia mampiseho hoe tia azy. (2 Kor. 7:6, 7, 13) Mifandray akaiky ny hoe mangoraka sy mampionona. Nahoana? Rehefa be fangorahana ny olona iray, dia vonona hampionona ny hafa sady hiezaka hanamaivana ny fahoriany. Mangoraka aloha izany isika, dia avy eo mampionona. Mariho ny fomba nampifandraisan’i Paoly ny fangorahan’i Jehovah sy ny fampiononana omeny. Nilaza izy hoe “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah.​—2 Kor. 1:3. w23.11 47:8-10

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara