Alahady 20 Jolay
Ny fihevitro ... tsy mba fihevitrareo.—Isaia 55:8.
Raha tsy azontsika izay nangatahintsika tamin’ny vavaka, dia mila mieritreritra isika hoe: ‘Mety ve ilay zavatra angatahiko?’ Matetika isika no mieritreritra hoe isika no mahalala an’izay mahasoa antsika indrindra. Tsy voatery hahasoa antsika foana anefa izay nangatahintsika, rehefa mandeha ny fotoana. Raha momba ny olana iray no ivavahantsika, dia mety hisy vahaolana tsara kokoa amin’ilay izy noho ilay angatahintsika amin’i Jehovah. Mety tsy hifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah koa ny zavatra sasany tiantsika ho azo. (1 Jaona 5:14) Diniho ny ohatry ny ray aman-dreny nangataka tamin’i Jehovah mba tsy hiala amin’ny fahamarinana mihitsy ny zanany. Hoatran’ny hoe mety izany. Tsy manery an’iza na iza hanompo azy anefa i Jehovah. Tiany hifidy hanompo azy kosa isika rehetra, anisan’izany ny zanatsika. (Deot. 10:12, 13; 30:19, 20) Inona àry no azon’ilay ray aman-dreny angatahina amin’i Jehovah? Hoe mba ampiany izy mivady hanohina ny fon’ny zanany, amin’izay izy ho tia an’i Jehovah sy ho lasa namany.—Ohab. 22:6; Efes. 6:4. w23.11 49:5, 12
Alatsinainy 21 Jolay
Miezaha foana ... hifampionona.—1 Tes. 4:18.
Nahoana ilay hoe mampionona ny hafa no fomba lehibe ampisehoana fitiavana? Milaza ny boky iray momba ny Baiboly fa ilay teny hoe ‘mampionona’ nampiasain’i Paoly, dia midika hoe ‘mijoro eo anilan’ny olona iray mba hampaherezana azy rehefa mandalo fitsapana mafy izy.’ Rehefa mampionona mpiara-manompo manana olana àry ianao, dia manampy azy hiarina sy handeha eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana foana. Isaky ny miombom-pihetseham-po amin’ny rahalahy na anabavy iray ianao, dia mampiseho hoe tia azy. (2 Kor. 7:6, 7, 13) Mifandray akaiky ny hoe mangoraka sy mampionona. Nahoana? Rehefa be fangorahana ny olona iray, dia vonona hampionona ny hafa sady hiezaka hanamaivana ny fahoriany. Mangoraka aloha izany isika, dia avy eo mampionona. Mariho ny fomba nampifandraisan’i Paoly ny fangorahan’i Jehovah sy ny fampiononana omeny. Nilaza izy hoe “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah.—2 Kor. 1:3. w23.11 47:8-10
Talata 22 Jolay
[Mifalia] ao anatin’ny fahoriana.—Rom. 5:3.
Efa ampoizin’ny mpanara-dia an’i Kristy rehetra hoe hiatrika fahoriana ry zareo. Diniho ny ohatry ny apostoly Paoly. Hoy izy tamin’ny Kristianina tany Tesalonika: “Tamin’izahay teo aminareo, dia matetika izahay no nilaza mialoha taminareo hoe tsy maintsy miaritra fahoriana isika. Izany tokoa no mitranga.” (1 Tes. 3:4) Izao indray no nosoratany tamin’ny Korintianina: “Tianay ho fantatrareo ..., ry rahalahy, ny zava-tsarotra natrehinay ... Tsy nanampo ny ho velona intsony [izahay].” (2 Kor. 1:8; 11:23-27) Manampo hiatrika fahoriana samihafa koa ny Kristianina amin’izao. (2 Tim. 3:12) Noho ianao mino an’i Jesosy sy lasa mpanara-dia azy, dia mety hasiaka aminao ny namanao sy ny havanao. Sa ianao lasa mahita olana any am-piasana, satria tapa-kevitra ny hilaza sy hanao ny marina foana? (Heb. 13:18) Sa manohitra anao ny fitondram-panjakana, noho ianao niresaka ny fanantenanao tamin’ny olona? Na inona na inona anefa fahoriana mahazo antsika, dia nilaza i Paoly hoe tokony hifaly isika. w23.12 51:9-10