FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Mbum
  • Androany

Alatsinainy 21 Jolay

Miezaha foana ... hifampionona.​—1 Tes. 4:18.

Nahoana ilay hoe mampionona ny hafa no fomba lehibe ampisehoana fitiavana? Milaza ny boky iray momba ny Baiboly fa ilay teny hoe ‘mampionona’ nampiasain’i Paoly, dia midika hoe ‘mijoro eo anilan’ny olona iray mba hampaherezana azy rehefa mandalo fitsapana mafy izy.’ Rehefa mampionona mpiara-manompo manana olana àry ianao, dia manampy azy hiarina sy handeha eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana foana. Isaky ny miombom-pihetseham-po amin’ny rahalahy na anabavy iray ianao, dia mampiseho hoe tia azy. (2 Kor. 7:6, 7, 13) Mifandray akaiky ny hoe mangoraka sy mampionona. Nahoana? Rehefa be fangorahana ny olona iray, dia vonona hampionona ny hafa sady hiezaka hanamaivana ny fahoriany. Mangoraka aloha izany isika, dia avy eo mampionona. Mariho ny fomba nampifandraisan’i Paoly ny fangorahan’i Jehovah sy ny fampiononana omeny. Nilaza izy hoe “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah.​—2 Kor. 1:3. w23.11 47:8-10

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Talata 22 Jolay

[Mifalia] ao anatin’ny fahoriana.​—Rom. 5:3.

Efa ampoizin’ny mpanara-dia an’i Kristy rehetra hoe hiatrika fahoriana ry zareo. Diniho ny ohatry ny apostoly Paoly. Hoy izy tamin’ny Kristianina tany Tesalonika: “Tamin’izahay teo aminareo, dia matetika izahay no nilaza mialoha taminareo hoe tsy maintsy miaritra fahoriana isika. Izany tokoa no mitranga.” (1 Tes. 3:4) Izao indray no nosoratany tamin’ny Korintianina: “Tianay ho fantatrareo ..., ry rahalahy, ny zava-tsarotra natrehinay ... Tsy nanampo ny ho velona intsony [izahay].” (2 Kor. 1:8; 11:23-27) Manampo hiatrika fahoriana samihafa koa ny Kristianina amin’izao. (2 Tim. 3:12) Noho ianao mino an’i Jesosy sy lasa mpanara-dia azy, dia mety hasiaka aminao ny namanao sy ny havanao. Sa ianao lasa mahita olana any am-piasana, satria tapa-kevitra ny hilaza sy hanao ny marina foana? (Heb. 13:18) Sa manohitra anao ny fitondram-panjakana, noho ianao niresaka ny fanantenanao tamin’ny olona? Na inona na inona anefa fahoriana mahazo antsika, dia nilaza i Paoly hoe tokony hifaly isika. w23.12 51:9-10

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alarobia 23 Jolay

Efa nampidi-kizo ahy mihitsy ianareo.​—Ge 34:30.

Niaritra olana maro i Jakoba. Nanala baraka ny fianakaviana sy ny anaran’i Jehovah ny roa tamin’ny zanany lahy, izany hoe i Simeona sy Levy. Maty teo am-piterahana an’ilay zanak’izy ireo faharoa koa i Rahely vady malalany. Ankoatra izay, dia voatery nifindra tany Ejipta i Jakoba na dia efa antitra aza, satria nisy mosary mafy tao amin’ny taniny. (Gen. 35:16-19; 37:28; 45:9-11, 28) Mbola nino an’i Jehovah sy ny fampanantenany foana i Jakoba tao anatin’izany rehetra izany. Ho setrin’izany, dia nasehon’i Jehovah taminy hoe nankasitraka azy izy. Nataon’i Jehovah nanan-karena be, ohatra, i Jakoba. Eritrereto koa ange e! Tsy maintsy hoe nankasitraka be an’i Jehovah i Jakoba rehefa tafahaona tamin’i Josefa indray. Noheveriny hoe maty efa ela mantsy io zanany lahy io. Nahavita niatrika an’izany fitsapana rehetra izany i Jakoba, satria ninamana be tamin’i Jehovah. (Gen. 30:43; 32:9, 10; 46:28-30) Hahavita hiatrika olana tsy ampoizina koa isika, rehefa mifandray akaiky amin’i Jehovah foana. w23.04 17:6-7

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara