Talata 22 Jolay
[Mifalia] ao anatin’ny fahoriana.—Rom. 5:3.
Efa ampoizin’ny mpanara-dia an’i Kristy rehetra hoe hiatrika fahoriana ry zareo. Diniho ny ohatry ny apostoly Paoly. Hoy izy tamin’ny Kristianina tany Tesalonika: “Tamin’izahay teo aminareo, dia matetika izahay no nilaza mialoha taminareo hoe tsy maintsy miaritra fahoriana isika. Izany tokoa no mitranga.” (1 Tes. 3:4) Izao indray no nosoratany tamin’ny Korintianina: “Tianay ho fantatrareo ..., ry rahalahy, ny zava-tsarotra natrehinay ... Tsy nanampo ny ho velona intsony [izahay].” (2 Kor. 1:8; 11:23-27) Manampo hiatrika fahoriana samihafa koa ny Kristianina amin’izao. (2 Tim. 3:12) Noho ianao mino an’i Jesosy sy lasa mpanara-dia azy, dia mety hasiaka aminao ny namanao sy ny havanao. Sa ianao lasa mahita olana any am-piasana, satria tapa-kevitra ny hilaza sy hanao ny marina foana? (Heb. 13:18) Sa manohitra anao ny fitondram-panjakana, noho ianao niresaka ny fanantenanao tamin’ny olona? Na inona na inona anefa fahoriana mahazo antsika, dia nilaza i Paoly hoe tokony hifaly isika. w23.12 51:9-10
Alarobia 23 Jolay
Efa nampidi-kizo ahy mihitsy ianareo.—Ge 34:30.
Niaritra olana maro i Jakoba. Nanala baraka ny fianakaviana sy ny anaran’i Jehovah ny roa tamin’ny zanany lahy, izany hoe i Simeona sy Levy. Maty teo am-piterahana an’ilay zanak’izy ireo faharoa koa i Rahely vady malalany. Ankoatra izay, dia voatery nifindra tany Ejipta i Jakoba na dia efa antitra aza, satria nisy mosary mafy tao amin’ny taniny. (Gen. 35:16-19; 37:28; 45:9-11, 28) Mbola nino an’i Jehovah sy ny fampanantenany foana i Jakoba tao anatin’izany rehetra izany. Ho setrin’izany, dia nasehon’i Jehovah taminy hoe nankasitraka azy izy. Nataon’i Jehovah nanan-karena be, ohatra, i Jakoba. Eritrereto koa ange e! Tsy maintsy hoe nankasitraka be an’i Jehovah i Jakoba rehefa tafahaona tamin’i Josefa indray. Noheveriny hoe maty efa ela mantsy io zanany lahy io. Nahavita niatrika an’izany fitsapana rehetra izany i Jakoba, satria ninamana be tamin’i Jehovah. (Gen. 30:43; 32:9, 10; 46:28-30) Hahavita hiatrika olana tsy ampoizina koa isika, rehefa mifandray akaiky amin’i Jehovah foana. w23.04 17:6-7
Alakamisy 24 Jolay
I Jehovah no Mpiandry ahy. Tsy ho ory na inona na inona aho.—Sal. 23:1.
Hira nosoratan’i Davida io Salamo faha-23 io, ary resahina ao ny toky ananany noho i Jehovah tia sy nikarakara azy. Hazavainy ao hoe nifandray am-po be izy sy Jehovah, ilay Mpiandry azy. Tsy natahotra mihitsy izy satria i Jehovah no nitari-dalana azy, ary niantehitra tanteraka taminy izy. Fantany hoe ho tia azy foana i Jehovah isan’andro, mandritra ny androm-piainany. Nahoana izy no natoky be an’izany? Tsapan’i Davida hoe voakarakara tsara izy satria niahy azy foana i Jehovah. Ninamana tamin’i Jehovah sy nankasitrahany koa izy. Lasa tsy nisalasala izy hoe na inona na inona avoakan’ny ampitso, dia hikarakara an’izay rehetra ilainy foana i Jehovah. Natoky ny fitiavan’i Jehovah izy, ary izany no nibahana kokoa tao am-pony noho izay nampanahy azy. Nahatonga azy ho tena sambatra sy ho afa-po izany.—Sal. 16:11. w24.01 4:12-13