FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Mbum
  • Androany

Alarobia 23 Jolay

Efa nampidi-kizo ahy mihitsy ianareo.​—Ge 34:30.

Niaritra olana maro i Jakoba. Nanala baraka ny fianakaviana sy ny anaran’i Jehovah ny roa tamin’ny zanany lahy, izany hoe i Simeona sy Levy. Maty teo am-piterahana an’ilay zanak’izy ireo faharoa koa i Rahely vady malalany. Ankoatra izay, dia voatery nifindra tany Ejipta i Jakoba na dia efa antitra aza, satria nisy mosary mafy tao amin’ny taniny. (Gen. 35:16-19; 37:28; 45:9-11, 28) Mbola nino an’i Jehovah sy ny fampanantenany foana i Jakoba tao anatin’izany rehetra izany. Ho setrin’izany, dia nasehon’i Jehovah taminy hoe nankasitraka azy izy. Nataon’i Jehovah nanan-karena be, ohatra, i Jakoba. Eritrereto koa ange e! Tsy maintsy hoe nankasitraka be an’i Jehovah i Jakoba rehefa tafahaona tamin’i Josefa indray. Noheveriny hoe maty efa ela mantsy io zanany lahy io. Nahavita niatrika an’izany fitsapana rehetra izany i Jakoba, satria ninamana be tamin’i Jehovah. (Gen. 30:43; 32:9, 10; 46:28-30) Hahavita hiatrika olana tsy ampoizina koa isika, rehefa mifandray akaiky amin’i Jehovah foana. w23.04 17:6-7

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alakamisy 24 Jolay

I Jehovah no Mpiandry ahy. Tsy ho ory na inona na inona aho.​—Sal. 23:1.

Hira nosoratan’i Davida io Salamo faha-​23 io, ary resahina ao ny toky ananany noho i Jehovah tia sy nikarakara azy. Hazavainy ao hoe nifandray am-po be izy sy Jehovah, ilay Mpiandry azy. Tsy natahotra mihitsy izy satria i Jehovah no nitari-dalana azy, ary niantehitra tanteraka taminy izy. Fantany hoe ho tia azy foana i Jehovah isan’andro, mandritra ny androm-piainany. Nahoana izy no natoky be an’izany? Tsapan’i Davida hoe voakarakara tsara izy satria niahy azy foana i Jehovah. Ninamana tamin’i Jehovah sy nankasitrahany koa izy. Lasa tsy nisalasala izy hoe na inona na inona avoakan’ny ampitso, dia hikarakara an’izay rehetra ilainy foana i Jehovah. Natoky ny fitiavan’i Jehovah izy, ary izany no nibahana kokoa tao am-pony noho izay nampanahy azy. Nahatonga azy ho tena sambatra sy ho afa-po izany.​—Sal. 16:11. w24.01 4:12-13

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Zoma 25 Jolay

Hiaraka aminareo foana aho isan’andro, mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.​—Mat. 28:20.

Azo lazaina hoe nilamina ny vahoakan’i Jehovah tany amin’ny tany maro ka afaka nitory, taorian’ny Ady Lehibe II. Niroborobo mihitsy aza ny asa fitoriana. Mbola mitady ny tari-dalan’i Kristy foana ny Filan-kevi-pitantanana amin’izao. Tian-dry zareo hifanaraka amin’ny fomba fijerin’ny any an-danitra ny toromarika omeny an’ireo rahalahy sy anabaviny. Ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy kosa avy eo no mampita an’ilay toromarika amin’ny fiangonana. ‘Eny an-tanana ankavanan’i’ Kristy ny anti-panahy voahosotra. (Apok. 2:1) Mazava ho azy fa tsy lavorary sy manao diso izy ireny. Nanao ny tsy nety i Mosesy sy Josoa indraindray, ary hoatr’izany koa ny apostoly. (Nom. 20:12; Jos. 9:14, 15; Rom. 3:23) Mbola mitari-dalana ny mpanompo mendri-pitokisana sy ny anti-panahy voatendry anefa i Kristy, ary hanao an’izany foana izy. Be dia be àry ny antony tokony hatokisantsika ny tari-dalana omeny amin’ny alalan’ireny rahalahy notendreny hitarika antsika ireny. w24.02 8:13-14

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara