FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Mbum
  • Androany

Zoma 25 Jolay

Hiaraka aminareo foana aho isan’andro, mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.​—Mat. 28:20.

Azo lazaina hoe nilamina ny vahoakan’i Jehovah tany amin’ny tany maro ka afaka nitory, taorian’ny Ady Lehibe II. Niroborobo mihitsy aza ny asa fitoriana. Mbola mitady ny tari-dalan’i Kristy foana ny Filan-kevi-pitantanana amin’izao. Tian-dry zareo hifanaraka amin’ny fomba fijerin’ny any an-danitra ny toromarika omeny an’ireo rahalahy sy anabaviny. Ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy kosa avy eo no mampita an’ilay toromarika amin’ny fiangonana. ‘Eny an-tanana ankavanan’i’ Kristy ny anti-panahy voahosotra. (Apok. 2:1) Mazava ho azy fa tsy lavorary sy manao diso izy ireny. Nanao ny tsy nety i Mosesy sy Josoa indraindray, ary hoatr’izany koa ny apostoly. (Nom. 20:12; Jos. 9:14, 15; Rom. 3:23) Mbola mitari-dalana ny mpanompo mendri-pitokisana sy ny anti-panahy voatendry anefa i Kristy, ary hanao an’izany foana izy. Be dia be àry ny antony tokony hatokisantsika ny tari-dalana omeny amin’ny alalan’ireny rahalahy notendreny hitarika antsika ireny. w24.02 8:13-14

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Asabotsy 26 Jolay

Tahafo ... Andriamanitra, satria zanany malalany ianareo.​—Efes. 5:1.

Mampifaly an’i Jehovah isika amin’izao raha mafana fo sady feno fankasitrahana sy fitiavana rehefa miresaka momba azy. Ataontsika an-tsaina foana ny tena tanjontsika rehefa eny amin’ny fanompoana. Inona izany? Ny hahatonga ny olona hanatona an’i Jehovah sy hanampy an-dry zareo hahita an’ilay Raintsika be fitiavana hoatran’ny fahitantsika azy. (Jak. 4:8) Faly be isika mampiseho amin’ny olona an’izay lazain’ny Baiboly momba an’i Jehovah, ka resahintsika amin-dry zareo ny toetrany, anisan’izany ny fitiavany, ny fanaovany ny rariny, ny fahendreny, ary ny heriny. Midera sy mampifaly azy koa isika rehefa miezaka mafy manahaka azy. Lasa miavaka amin’ny olona eto amin’izao tontolo ratsy izao isika rehefa manao an’izany. Mety ho voamarik’izy ireo izany, dia mety hanontany ry zareo hoe fa maninona isika no tsy mitovy amin’ny hafa. (Mat. 5:14-16) Afaka manazava ny antony angamba isika rehefa mifanerasera aminy isan’andro. Lasa te hanatona an’ilay Andriamanitsika àry ny olona tso-po. Mampifaly ny fony isika rehefa midera azy hoatr’izany.​—1 Tim. 2:3, 4. w24.02 6:7

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alahady 27 Jolay

[Miezaha] hahay hampahery ny hafa ... sady hahavita hananatra.​—Tit. 1:9.

Misy fahaizana mila iezahanao hananana raha te hihamatotra ianao. Hanampy anao hiantsoroka andraikitra ao amin’ny fiangonana mantsy izany, sady hanampy anao hateza amin’ny asanao, ka ho afaka hamelon-tena na hamelona ny fianakavianao ianao. Hifandray tsara amin’olona koa ianao rehefa manana an’ireny fahaizana ireny. Miezaha, ohatra, hahay hamaky teny sy hanoratra tsara. Milaza ny Baiboly hoe manokana fotoana isan’andro hamakiana sy hisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra ny lehilahy sambatra sy mahomby. (Sal. 1:1-3) Hahafantatra ny fomba fisainan’i Jehovah izy rehefa mamaky azy io isan’andro. Hanampy azy hisaina sy handinika tsara izany. (Ohab. 1:3, 4) Lehilahy mahay no andrasan’ny mpiara-manompo mba hampianatra sy hanome torohevitra an-dry zareo avy ao amin’ny Baiboly. Raha mahay mamaky teny sy manoratra tsara ianao, dia ho afaka hanomana lahateny sy valin-teny mampahery sady misy hevitra mahasoa. Hahay handray naoty tsara koa ianao, ary hanampy anao hanatanjaka ny finoanao sy hampahery ny hafa ireny naoty ireny. w23.12 53:9-11

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara