FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Mbum
  • Androany

Asabotsy 26 Jolay

Tahafo ... Andriamanitra, satria zanany malalany ianareo.​—Efes. 5:1.

Mampifaly an’i Jehovah isika amin’izao raha mafana fo sady feno fankasitrahana sy fitiavana rehefa miresaka momba azy. Ataontsika an-tsaina foana ny tena tanjontsika rehefa eny amin’ny fanompoana. Inona izany? Ny hahatonga ny olona hanatona an’i Jehovah sy hanampy an-dry zareo hahita an’ilay Raintsika be fitiavana hoatran’ny fahitantsika azy. (Jak. 4:8) Faly be isika mampiseho amin’ny olona an’izay lazain’ny Baiboly momba an’i Jehovah, ka resahintsika amin-dry zareo ny toetrany, anisan’izany ny fitiavany, ny fanaovany ny rariny, ny fahendreny, ary ny heriny. Midera sy mampifaly azy koa isika rehefa miezaka mafy manahaka azy. Lasa miavaka amin’ny olona eto amin’izao tontolo ratsy izao isika rehefa manao an’izany. Mety ho voamarik’izy ireo izany, dia mety hanontany ry zareo hoe fa maninona isika no tsy mitovy amin’ny hafa. (Mat. 5:14-16) Afaka manazava ny antony angamba isika rehefa mifanerasera aminy isan’andro. Lasa te hanatona an’ilay Andriamanitsika àry ny olona tso-po. Mampifaly ny fony isika rehefa midera azy hoatr’izany.​—1 Tim. 2:3, 4. w24.02 6:7

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alahady 27 Jolay

[Miezaha] hahay hampahery ny hafa ... sady hahavita hananatra.​—Tit. 1:9.

Misy fahaizana mila iezahanao hananana raha te hihamatotra ianao. Hanampy anao hiantsoroka andraikitra ao amin’ny fiangonana mantsy izany, sady hanampy anao hateza amin’ny asanao, ka ho afaka hamelon-tena na hamelona ny fianakavianao ianao. Hifandray tsara amin’olona koa ianao rehefa manana an’ireny fahaizana ireny. Miezaha, ohatra, hahay hamaky teny sy hanoratra tsara. Milaza ny Baiboly hoe manokana fotoana isan’andro hamakiana sy hisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra ny lehilahy sambatra sy mahomby. (Sal. 1:1-3) Hahafantatra ny fomba fisainan’i Jehovah izy rehefa mamaky azy io isan’andro. Hanampy azy hisaina sy handinika tsara izany. (Ohab. 1:3, 4) Lehilahy mahay no andrasan’ny mpiara-manompo mba hampianatra sy hanome torohevitra an-dry zareo avy ao amin’ny Baiboly. Raha mahay mamaky teny sy manoratra tsara ianao, dia ho afaka hanomana lahateny sy valin-teny mampahery sady misy hevitra mahasoa. Hahay handray naoty tsara koa ianao, ary hanampy anao hanatanjaka ny finoanao sy hampahery ny hafa ireny naoty ireny. w23.12 53:9-11

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alatsinainy 28 Jolay

Lehibe noho ilay tafaray amin’izao tontolo izao ilay tafaray aminareo.​—1 Jaona 4:4.

Rehefa matahotra ianao, dia saintsaino izay hataon’i Jehovah amin’ny hoavy rehefa tsy ho eo intsony i Satana. Tamina fampisehoana iray tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny 2014, dia niresaka ny 2 Timoty 3:1-5 tamin’ny ankohonany ny raim-pianakaviana iray. Novany ny teny tao amin’ireo andininy ireo, mba hampisehoana hoe hanao ahoana ny fiainana ao amin’ny Paradisa. Izao no namakiany azy: “Ao amin’ny tontolo vaovao, dia ho faran’izay hahafinaritra ny fiainana. Fa ny olona ho tia ny mpiara-belona aminy, ho tia manompo an’i Jehovah, tsy ho matin-kambo, tsy hanambony tena, hidera an’Andriamanitra, hankatò ray aman-dreny, hahay hisaotra, tsy hivadika amin’ny teniny, ho tia ny mpianakaviny, ho mora ifanarahana, hilaza zavatra tsara momba ny hafa foana, hahafehy tena, halemy fanahy, ho tia ny tsara, ho azo itokisana, handefitra, hanetry tena, ho tia an’Andriamanitra fa tsy ho tia fahafinaretana, ho hita eo amin’ny fiainany hoe tena mpivavaka izy. Miaraha foana amin’ny olona toy ireny.” Resahinao amin’ny fianakavianao na ny mpiara-manompo koa ve hoe hanao ahoana ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao? w24.01 1:13-14

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara