Alahady 27 Jolay
[Miezaha] hahay hampahery ny hafa ... sady hahavita hananatra.—Tit. 1:9.
Misy fahaizana mila iezahanao hananana raha te hihamatotra ianao. Hanampy anao hiantsoroka andraikitra ao amin’ny fiangonana mantsy izany, sady hanampy anao hateza amin’ny asanao, ka ho afaka hamelon-tena na hamelona ny fianakavianao ianao. Hifandray tsara amin’olona koa ianao rehefa manana an’ireny fahaizana ireny. Miezaha, ohatra, hahay hamaky teny sy hanoratra tsara. Milaza ny Baiboly hoe manokana fotoana isan’andro hamakiana sy hisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra ny lehilahy sambatra sy mahomby. (Sal. 1:1-3) Hahafantatra ny fomba fisainan’i Jehovah izy rehefa mamaky azy io isan’andro. Hanampy azy hisaina sy handinika tsara izany. (Ohab. 1:3, 4) Lehilahy mahay no andrasan’ny mpiara-manompo mba hampianatra sy hanome torohevitra an-dry zareo avy ao amin’ny Baiboly. Raha mahay mamaky teny sy manoratra tsara ianao, dia ho afaka hanomana lahateny sy valin-teny mampahery sady misy hevitra mahasoa. Hahay handray naoty tsara koa ianao, ary hanampy anao hanatanjaka ny finoanao sy hampahery ny hafa ireny naoty ireny. w23.12 53:9-11
Alatsinainy 28 Jolay
Lehibe noho ilay tafaray amin’izao tontolo izao ilay tafaray aminareo.—1 Jaona 4:4.
Rehefa matahotra ianao, dia saintsaino izay hataon’i Jehovah amin’ny hoavy rehefa tsy ho eo intsony i Satana. Tamina fampisehoana iray tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny 2014, dia niresaka ny 2 Timoty 3:1-5 tamin’ny ankohonany ny raim-pianakaviana iray. Novany ny teny tao amin’ireo andininy ireo, mba hampisehoana hoe hanao ahoana ny fiainana ao amin’ny Paradisa. Izao no namakiany azy: “Ao amin’ny tontolo vaovao, dia ho faran’izay hahafinaritra ny fiainana. Fa ny olona ho tia ny mpiara-belona aminy, ho tia manompo an’i Jehovah, tsy ho matin-kambo, tsy hanambony tena, hidera an’Andriamanitra, hankatò ray aman-dreny, hahay hisaotra, tsy hivadika amin’ny teniny, ho tia ny mpianakaviny, ho mora ifanarahana, hilaza zavatra tsara momba ny hafa foana, hahafehy tena, halemy fanahy, ho tia ny tsara, ho azo itokisana, handefitra, hanetry tena, ho tia an’Andriamanitra fa tsy ho tia fahafinaretana, ho hita eo amin’ny fiainany hoe tena mpivavaka izy. Miaraha foana amin’ny olona toy ireny.” Resahinao amin’ny fianakavianao na ny mpiara-manompo koa ve hoe hanao ahoana ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao? w24.01 1:13-14
Talata 29 Jolay
Ankasitrahako ianao.—Lioka 3:22.
Tena mampahery ny mahalala hoe mankasitraka ny vahoakany amin’ny fitambarany i Jehovah. Izao mantsy no lazain’ny Baiboly: “Mahafinaritra an’i Jehovah ny vahoakany.” (Sal. 149:4) Mety hisy ho kivy be anefa indraindray, dia ho lasa saina hoe: ‘Izaho ve dia mba ankasitrahan’i Jehovah?’ Be dia be taloha ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika nieritreritra hoatr’izany. (1 Sam. 1:6-10; Joba 29:2, 4; Sal. 51:11) Resahin’ny Baiboly mazava fa afaka ny hankasitrahan’i Jehovah ny olona tsy lavorary. Amin’ny fomba ahoana? Tsy maintsy maneho finoana an’i Jesosy Kristy isika, dia atao batisa. (Jaona 3:16) Asehontsika amin’ny rehetra amin’izay hoe efa nibebaka tamin’ny fahotantsika isika, ary efa nampanantena an’Andriamanitra fa hanao ny sitrapony. (Asa. 2:38; 3:19) Faly i Jehovah rehefa manao an’ireo dingana ireo isika mba hifandraisana aminy. Ankasitrahany isika sady raisiny ho namany akaiky, rehefa manohy manao izay tsara indrindra vitantsika mba hanajana an’ilay voady nataontsika tamin’isika nanokan-tena.—Sal. 25:14. w24.03 13:1-2