Alatsinainy 28 Jolay
Lehibe noho ilay tafaray amin’izao tontolo izao ilay tafaray aminareo.—1 Jaona 4:4.
Rehefa matahotra ianao, dia saintsaino izay hataon’i Jehovah amin’ny hoavy rehefa tsy ho eo intsony i Satana. Tamina fampisehoana iray tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny 2014, dia niresaka ny 2 Timoty 3:1-5 tamin’ny ankohonany ny raim-pianakaviana iray. Novany ny teny tao amin’ireo andininy ireo, mba hampisehoana hoe hanao ahoana ny fiainana ao amin’ny Paradisa. Izao no namakiany azy: “Ao amin’ny tontolo vaovao, dia ho faran’izay hahafinaritra ny fiainana. Fa ny olona ho tia ny mpiara-belona aminy, ho tia manompo an’i Jehovah, tsy ho matin-kambo, tsy hanambony tena, hidera an’Andriamanitra, hankatò ray aman-dreny, hahay hisaotra, tsy hivadika amin’ny teniny, ho tia ny mpianakaviny, ho mora ifanarahana, hilaza zavatra tsara momba ny hafa foana, hahafehy tena, halemy fanahy, ho tia ny tsara, ho azo itokisana, handefitra, hanetry tena, ho tia an’Andriamanitra fa tsy ho tia fahafinaretana, ho hita eo amin’ny fiainany hoe tena mpivavaka izy. Miaraha foana amin’ny olona toy ireny.” Resahinao amin’ny fianakavianao na ny mpiara-manompo koa ve hoe hanao ahoana ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao? w24.01 1:13-14
Talata 29 Jolay
Ankasitrahako ianao.—Lioka 3:22.
Tena mampahery ny mahalala hoe mankasitraka ny vahoakany amin’ny fitambarany i Jehovah. Izao mantsy no lazain’ny Baiboly: “Mahafinaritra an’i Jehovah ny vahoakany.” (Sal. 149:4) Mety hisy ho kivy be anefa indraindray, dia ho lasa saina hoe: ‘Izaho ve dia mba ankasitrahan’i Jehovah?’ Be dia be taloha ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika nieritreritra hoatr’izany. (1 Sam. 1:6-10; Joba 29:2, 4; Sal. 51:11) Resahin’ny Baiboly mazava fa afaka ny hankasitrahan’i Jehovah ny olona tsy lavorary. Amin’ny fomba ahoana? Tsy maintsy maneho finoana an’i Jesosy Kristy isika, dia atao batisa. (Jaona 3:16) Asehontsika amin’ny rehetra amin’izay hoe efa nibebaka tamin’ny fahotantsika isika, ary efa nampanantena an’Andriamanitra fa hanao ny sitrapony. (Asa. 2:38; 3:19) Faly i Jehovah rehefa manao an’ireo dingana ireo isika mba hifandraisana aminy. Ankasitrahany isika sady raisiny ho namany akaiky, rehefa manohy manao izay tsara indrindra vitantsika mba hanajana an’ilay voady nataontsika tamin’isika nanokan-tena.—Sal. 25:14. w24.03 13:1-2
Alarobia 30 Jolay
Tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba an’izay efa hitanay sy henonay.—Asa. 4:20.
Manahaka an’ireo mpianatr’i Jesosy ireo isika rehefa mitory foana, na dia mandrara an’izany aza ny manam-pahefana. Afaka matoky koa isika hoe hanampy antsika hamita ny fanompoantsika i Jehovah. Mivavaha mba ho sahy sy ho hendry. Mangataha koa fanampiana amin’i Jehovah rehefa miatrika olana. Betsaka amintsika no marary, maty havana na namana, enjehina, manana olana ara-pihetseham-po na ara-pianakaviana, na zava-tsarotra hafa. Manampy trotraka an’ireo ny valanaretina sy ny ady. Aborahy amin’i Jehovah àry ny ao am-ponao. Lazao aminy ny manjo anao, hoatran’ny ianao rehefa miresaka amin’ny namanao akaiky. Matokia hoe “hanampy anao” i Jehovah. (Sal. 37:3, 5) Rehefa maharitra amin’ny vavaka isika, dia manampy antsika ‘hiaritra fahoriana’ izany. (Rom. 12:12) Fantatr’i Jehovah izay mianjady amin’ny mpanompony, ary “henoiny izy ireo rehefa miantso vonjy.”—Sal. 145:18, 19. w23.05 20:12-15