FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Mbum
  • Androany

Talata 29 Jolay

Ankasitrahako ianao.​—Lioka 3:22.

Tena mampahery ny mahalala hoe mankasitraka ny vahoakany amin’ny fitambarany i Jehovah. Izao mantsy no lazain’ny Baiboly: “Mahafinaritra an’i Jehovah ny vahoakany.” (Sal. 149:4) Mety hisy ho kivy be anefa indraindray, dia ho lasa saina hoe: ‘Izaho ve dia mba ankasitrahan’i Jehovah?’ Be dia be taloha ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika nieritreritra hoatr’izany. (1 Sam. 1:6-10; Joba 29:2, 4; Sal. 51:11) Resahin’ny Baiboly mazava fa afaka ny hankasitrahan’i Jehovah ny olona tsy lavorary. Amin’ny fomba ahoana? Tsy maintsy maneho finoana an’i Jesosy Kristy isika, dia atao batisa. (Jaona 3:16) Asehontsika amin’ny rehetra amin’izay hoe efa nibebaka tamin’ny fahotantsika isika, ary efa nampanantena an’Andriamanitra fa hanao ny sitrapony. (Asa. 2:38; 3:19) Faly i Jehovah rehefa manao an’ireo dingana ireo isika mba hifandraisana aminy. Ankasitrahany isika sady raisiny ho namany akaiky, rehefa manohy manao izay tsara indrindra vitantsika mba hanajana an’ilay voady nataontsika tamin’isika nanokan-tena.​—Sal. 25:14. w24.03 13:1-2

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alarobia 30 Jolay

Tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba an’izay efa hitanay sy henonay.​—Asa. 4:20.

Manahaka an’ireo mpianatr’i Jesosy ireo isika rehefa mitory foana, na dia mandrara an’izany aza ny manam-pahefana. Afaka matoky koa isika hoe hanampy antsika hamita ny fanompoantsika i Jehovah. Mivavaha mba ho sahy sy ho hendry. Mangataha koa fanampiana amin’i Jehovah rehefa miatrika olana. Betsaka amintsika no marary, maty havana na namana, enjehina, manana olana ara-pihetseham-po na ara-pianakaviana, na zava-tsarotra hafa. Manampy trotraka an’ireo ny valanaretina sy ny ady. Aborahy amin’i Jehovah àry ny ao am-ponao. Lazao aminy ny manjo anao, hoatran’ny ianao rehefa miresaka amin’ny namanao akaiky. Matokia hoe “hanampy anao” i Jehovah. (Sal. 37:3, 5) Rehefa maharitra amin’ny vavaka isika, dia manampy antsika ‘hiaritra fahoriana’ izany. (Rom. 12:12) Fantatr’i Jehovah izay mianjady amin’ny mpanompony, ary “henoiny izy ireo rehefa miantso vonjy.”​—Sal. 145:18, 19. w23.05 20:12-15

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alakamisy 31 Jolay

Fantaro tsara foana izay ankasitrahan’ny Tompo.​—Efes. 5:10.

Rehefa misy fanapahan-kevitra lehibe raisintsika, dia mila fantarintsika “izay sitrapon’i Jehovah”, dia avy eo manao zavatra mifanaraka amin’izany. (Efes. 5:17) Mitady ny fomba fihevitr’Andriamanitra isika, raha ny marina, rehefa mamantatra ny torolalan’ny Baiboly mifanaraka amin’ny zavatra iainantsika. Azo inoana kokoa hoe handray fanapahan-kevitra tsara isika, rehefa mampihatra ny torolalany. Tian’ilay “ratsy”, na i Satana fahavalontsika, ho variana be foana amin’ny zavatra eto amin’izao tontolo izao isika, amin’izay tsy manam-potoana hanompoana an’Andriamanitra intsony. (1 Jaona 5:19) Lasa mora amin’ny Kristianina iray amin’izay ny hikely aina hitady vola sy harena, hianatra, na hiasa, noho ny hoe hanararaotra hampitombo ny fanompoany an’i Jehovah. Raha izay no mitranga, dia efa famantarana izany hoe misy vokany aminy ny toe-tsain’izao tontolo izao. Mazava ho azy, fa tsy ratsy ireo zavatra ireo, nefa tsy tokony ho ireo mihitsy no voalohany eo amin’ny fiainantsika. w24.03 12:16-17

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara