Talata 12 Aogositra
Tsy hisy intsony ny fahafatesana.—Apok. 21:4.
Inona no azontsika lazaina mba hahatonga an’izay misalasala hatoky hoe tena ho tanteraka ilay Paradisa ampanantenain’Andriamanitra? Voalohany, i Jehovah mihitsy no nilaza an’ilay fampanantenana. Izao no resahin’ny Apokalypsy: “Hoy Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana: ‘Ataoko vaovao ny zava-drehetra.’” Ananan’i Jehovah na ny fahendrena, na ny hery, na ny faniriana ilaina mba hanatanterahana an’io fampanantenana io. Faharoa, tena azo antoka hoe ho tanteraka ilay fampanantenany, ka hoatran’ny hoe efa mitranga mihitsy ilay izy amin’i Jehovah. Mety tsara àry raha niteny izy hoe: “Azo antoka sady marina ireo teny ireo. ... Efa tanteraka izany!” Fahatelo, rehefa manomboka zavatra iray i Jehovah, dia vitainy hatramin’ny farany iny. Manamafy an’izany ilay hoe: “Izaho no Alfa sy Omega.” (Apok. 21:6) Hoporofoin’i Jehovah fa i Satana no tena mpandainga sy tsy mahavita azy! Raha misy miteny àry hoe: “Tsara loatra izany ka sarotra inoana”, dia vakio sy hazavao aminy ny Apokalypsy 21:5, 6. Asehoy azy fa hoatran’ny hoe nanao sonia mihitsy i Jehovah mba ho antok’ilay fampanantenany.—Isaia 65:16. w23.11 46:18-19
Alarobia 13 Aogositra
Hataoko lasa firenena lehibe ianao.—Gen. 12:2.
Efa 75 taona i Abrahama sady mbola tsy nanan-janaka, tamin’i Jehovah nilaza an’io fampanantenana io taminy. Tsy tena nahita ny fahatanterahan’io fampanantenana io i Abrahama. Marina hoe hitany ihany ny nahaterahan’i Isaka zanany noho ny fahagagana nataon’i Jehovah, rehefa avy niampita ny Reniranon’i Eofrata sy niandry 25 taona izy. Hitany koa ny nahaterahan’i Esao sy Jakoba zafikeliny, 60 taona taorian’izay. (Heb. 6:15) Tsy hitany mihitsy anefa ilay hoe lasa firenena lehibe sy nandova ny Tany Nampanantenaina ny taranany. Na izany aza, dia mpinamana be tamin’ny Mpamorona azy io lehilahy nanam-pinoana io, ary tena nankafy an’izany izy. (Jak. 2:23) Ho faly be izao i Abrahama rehefa hatsangana amin’ny maty, ka mahafantatra hoe nahazo fitahiana ny firenena rehetra noho izy nanam-pinoana sy nanam-paharetana! (Gen. 22:18) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Mety tsy ho hitantsika amin’izao daholo ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah. Raha manam-paharetana hoatran’i Abrahama anefa isika, dia hatoky fa hamaly soa antsika i Jehovah dieny izao, ary mbola hanao mihoatra noho izany aza ao amin’ilay tontolo vaovao ampanantenainy.—Mar. 10:29, 30. w23.08 35:14
Alakamisy 14 Aogositra
Nataon’i Jehovah nandeha tsara ny fiainany nandritra ny fotoana nitadiavany an’ilay tena Andriamanitra.—2 Tan. 26:5.
Nanetry tena i Ozia Mpanjaka tamin’izy tanora. Nianatra ny “hatahotra an’ilay tena Andriamanitra” izy. Notahin’i Jehovah àry izy tamin’ny ankapobeny, nandritra an’ireo 68 taona niainany. (2 Tan. 26:1-4) Nandresy firenena fahavalo be dia be izy, ary nataony azo antoka hoe voaro tsara i Jerosalema. (2 Tan. 26:6-15) Faly be izao i Ozia tamin’ny fanampiana rehetra nomen’Andriamanitra azy. (Mpito. 3:12, 13) Narahina foana ny tenin’i Ozia Mpanjaka hatramin’izay, dia efa zatra an’izany izy. Lasa nieritreritra ve izy hoe afaka manao izay tiany? Tsy haintsika izany. Fa indray andro izy niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah, dia nitady handoro emboka manitra teo amin’ny alitara. Sahisahy ratsy izy, satria tsy nahazo nanao an’izany ny mpanjaka. (2 Tan. 26:16-18) Niezaka nanitsy azy i Azaria Mpisoronabe, nefa tezitra be izy. Mampalahelo hoe efa tsy nivadika ihany i Ozia hatramin’izay, nefa hoatran’ny hoe very maina fotsiny izany. Voasazy àry izy ka lasa boka. (2 Tan. 26:19-21) Hafa mihitsy izao ny fiainany raha mba nanetry tena foana izy! w23.09 38:9-10