FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Androany

Alatsinainy 11 Aogositra

Ataovy fantatry ny olona rehetra hoe mahay mandanjalanja ianareo.​—Fil. 4:5.

Nahay nandanjalanja hoatran’i Jehovah i Jesosy. Nirahina tetỳ an-tany izy mba hitory tamin’ny ‘ondry very tamin’ny taranak’Israely.’ Nahay nandanjalanja anefa izy rehefa nanao an’izany asa nanendrena azy izany. Indray mandeha, ohatra, nisy vehivavy tsy Israelita niangavy azy mba hanasitrana ny zanany vavy. ‘Nijaly be’ izy io satria ‘nisy demonia.’ Nangoraka i Jesosy dia nanao an’izay nangatahin’ilay vehivavy, ka nanasitrana ny zanany vavy. (Mat. 15:21-28) Ity koa misy ohatra iray. Nisy fotoana i Jesosy nilaza hoe: “Izay tsy manaiky ... hoe mpianatro, dia tsy hekeko” koa. (Mat. 10:33) Tsy nekeny ho mpianany ve anefa i Petera, tatỳ aoriana, rehefa nanda azy intelo? Tsy izany! Fantatr’i Jesosy mantsy hoe nibebaka sy nanam-pinoana izy. Niseho taminy i Jesosy rehefa natsangana tamin’ny maty. Azo inoana fa nanome toky azy izy hoe namela ny helony ary mbola tia azy. (Lioka 24:33, 34) Mahay mandanjalanja i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. Ary isika? Tian’i Jehovah hahay handanjalanja koa isika. w23.07 32:6-7

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Talata 12 Aogositra

Tsy hisy intsony ny fahafatesana.​—Apok. 21:4.

Inona no azontsika lazaina mba hahatonga an’izay misalasala hatoky hoe tena ho tanteraka ilay Paradisa ampanantenain’Andriamanitra? Voalohany, i Jehovah mihitsy no nilaza an’ilay fampanantenana. Izao no resahin’ny Apokalypsy: “Hoy Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana: ‘Ataoko vaovao ny zava-drehetra.’” Ananan’i Jehovah na ny fahendrena, na ny hery, na ny faniriana ilaina mba hanatanterahana an’io fampanantenana io. Faharoa, tena azo antoka hoe ho tanteraka ilay fampanantenany, ka hoatran’ny hoe efa mitranga mihitsy ilay izy amin’i Jehovah. Mety tsara àry raha niteny izy hoe: “Azo antoka sady marina ireo teny ireo. ... Efa tanteraka izany!” Fahatelo, rehefa manomboka zavatra iray i Jehovah, dia vitainy hatramin’ny farany iny. Manamafy an’izany ilay hoe: “Izaho no Alfa sy Omega.” (Apok. 21:6) Hoporofoin’i Jehovah fa i Satana no tena mpandainga sy tsy mahavita azy! Raha misy miteny àry hoe: “Tsara loatra izany ka sarotra inoana”, dia vakio sy hazavao aminy ny Apokalypsy 21:5, 6. Asehoy azy fa hoatran’ny hoe nanao sonia mihitsy i Jehovah mba ho antok’ilay fampanantenany.​—Isaia 65:16. w23.11 46:18-19

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alarobia 13 Aogositra

Hataoko lasa firenena lehibe ianao.​—Gen. 12:2.

Efa 75 taona i Abrahama sady mbola tsy nanan-janaka, tamin’i Jehovah nilaza an’io fampanantenana io taminy. Tsy tena nahita ny fahatanterahan’io fampanantenana io i Abrahama. Marina hoe hitany ihany ny nahaterahan’i Isaka zanany noho ny fahagagana nataon’i Jehovah, rehefa avy niampita ny Reniranon’i Eofrata sy niandry 25 taona izy. Hitany koa ny nahaterahan’i Esao sy Jakoba zafikeliny, 60 taona taorian’izay. (Heb. 6:15) Tsy hitany mihitsy anefa ilay hoe lasa firenena lehibe sy nandova ny Tany Nampanantenaina ny taranany. Na izany aza, dia mpinamana be tamin’ny Mpamorona azy io lehilahy nanam-pinoana io, ary tena nankafy an’izany izy. (Jak. 2:23) Ho faly be izao i Abrahama rehefa hatsangana amin’ny maty, ka mahafantatra hoe nahazo fitahiana ny firenena rehetra noho izy nanam-pinoana sy nanam-paharetana! (Gen. 22:18) Inona no ianarantsika avy amin’izany? Mety tsy ho hitantsika amin’izao daholo ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Jehovah. Raha manam-paharetana hoatran’i Abrahama anefa isika, dia hatoky fa hamaly soa antsika i Jehovah dieny izao, ary mbola hanao mihoatra noho izany aza ao amin’ilay tontolo vaovao ampanantenainy.​—Mar. 10:29, 30. w23.08 35:14

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara