Alahady 10 Aogositra
Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.—Ohab. 17:17.
Rehefa tratran’ny mosary lehibe ny Kristianina tany Jodia, dia “nanapa-kevitra” ireo rahalahy tao amin’ny fiangonan’i Antiokia “fa samy handefa fanampiana araka izay vitany, ho an’ireo rahalahy nipetraka tany Jodia.” (Asa. 11:27-30) Tapa-kevitra ny hanampy an-dry zareo ny Kristianina tany Antiokia, na dia lavidavitra ihany aza no nisy an’ireo rahalahy tratran’ny mosary ireo. (1 Jaona 3:17, 18) Azontsika aseho koa hoe mangoraka ny mpiara-manompo isika rehefa henontsika hoe tratran’ny loza ry zareo. Tonga dia manao zavatra isika, ohatra hoe manontany ny anti-panahy raha misy tetikasa azontsika anampiana. Afaka manao fanomezana ho an’ny asa maneran-tany koa isika, na mivavaka ho an’ireo tra-boina. Mety hila ny fanampiantsika koa ny rahalahy sy anabavintsika, vao hahazo an’izay tena ilainy eo amin’ny fiainana. Rehefa ho avy hampihatra ny didim-pitsarany i Kristy Jesosy Mpanjakantsika, dia enga anie isika ho hitany hoe maneho fangorahana, amin’izay izy hanasa antsika ‘handova an’ilay Fanjakana.’—Mat. 25:34-40. w23.07 29:9-10, 12
Alatsinainy 11 Aogositra
Ataovy fantatry ny olona rehetra hoe mahay mandanjalanja ianareo.—Fil. 4:5.
Nahay nandanjalanja hoatran’i Jehovah i Jesosy. Nirahina tetỳ an-tany izy mba hitory tamin’ny ‘ondry very tamin’ny taranak’Israely.’ Nahay nandanjalanja anefa izy rehefa nanao an’izany asa nanendrena azy izany. Indray mandeha, ohatra, nisy vehivavy tsy Israelita niangavy azy mba hanasitrana ny zanany vavy. ‘Nijaly be’ izy io satria ‘nisy demonia.’ Nangoraka i Jesosy dia nanao an’izay nangatahin’ilay vehivavy, ka nanasitrana ny zanany vavy. (Mat. 15:21-28) Ity koa misy ohatra iray. Nisy fotoana i Jesosy nilaza hoe: “Izay tsy manaiky ... hoe mpianatro, dia tsy hekeko” koa. (Mat. 10:33) Tsy nekeny ho mpianany ve anefa i Petera, tatỳ aoriana, rehefa nanda azy intelo? Tsy izany! Fantatr’i Jesosy mantsy hoe nibebaka sy nanam-pinoana izy. Niseho taminy i Jesosy rehefa natsangana tamin’ny maty. Azo inoana fa nanome toky azy izy hoe namela ny helony ary mbola tia azy. (Lioka 24:33, 34) Mahay mandanjalanja i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. Ary isika? Tian’i Jehovah hahay handanjalanja koa isika. w23.07 32:6-7
Talata 12 Aogositra
Tsy hisy intsony ny fahafatesana.—Apok. 21:4.
Inona no azontsika lazaina mba hahatonga an’izay misalasala hatoky hoe tena ho tanteraka ilay Paradisa ampanantenain’Andriamanitra? Voalohany, i Jehovah mihitsy no nilaza an’ilay fampanantenana. Izao no resahin’ny Apokalypsy: “Hoy Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana: ‘Ataoko vaovao ny zava-drehetra.’” Ananan’i Jehovah na ny fahendrena, na ny hery, na ny faniriana ilaina mba hanatanterahana an’io fampanantenana io. Faharoa, tena azo antoka hoe ho tanteraka ilay fampanantenany, ka hoatran’ny hoe efa mitranga mihitsy ilay izy amin’i Jehovah. Mety tsara àry raha niteny izy hoe: “Azo antoka sady marina ireo teny ireo. ... Efa tanteraka izany!” Fahatelo, rehefa manomboka zavatra iray i Jehovah, dia vitainy hatramin’ny farany iny. Manamafy an’izany ilay hoe: “Izaho no Alfa sy Omega.” (Apok. 21:6) Hoporofoin’i Jehovah fa i Satana no tena mpandainga sy tsy mahavita azy! Raha misy miteny àry hoe: “Tsara loatra izany ka sarotra inoana”, dia vakio sy hazavao aminy ny Apokalypsy 21:5, 6. Asehoy azy fa hoatran’ny hoe nanao sonia mihitsy i Jehovah mba ho antok’ilay fampanantenany.—Isaia 65:16. w23.11 46:18-19