Asabotsy 9 Aogositra
Raha misy te hanaraka ahy, dia tsy maintsy mandà ny tenany izy ka mitondra ny hazo fijaliany isan’andro ary manaraka ahy foana.—Lioka 9:23.
Nenjehin’ny fianakaviana angamba ianao na nisy vola na zavatra nafoinao, amin’izay ilay Fanjakana no ho voalohany eo amin’ny fiainanao. (Mat. 6:33) Raha izany, dia matokia hoe tsikaritr’i Jehovah izay rehetra nataonao ho azy. (Heb. 6:10) Azo inoana fa hitanao hoe marina ity tenin’i Jesosy ity: “Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na saha, noho ny amiko sy ny vaovao tsara, ka tsy hahazo avo 100 heny amin’izao andro izao, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, saha, sy fanenjehana, ary fiainana mandrakizay ao amin’ilay tontolo ho avy.” (Mar. 10:29, 30) Betsaka lavitra noho izay sorona nataonao ny fitahiana azonao.—Sal. 37:4. w24.03 10:5
Alahady 10 Aogositra
Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.—Ohab. 17:17.
Rehefa tratran’ny mosary lehibe ny Kristianina tany Jodia, dia “nanapa-kevitra” ireo rahalahy tao amin’ny fiangonan’i Antiokia “fa samy handefa fanampiana araka izay vitany, ho an’ireo rahalahy nipetraka tany Jodia.” (Asa. 11:27-30) Tapa-kevitra ny hanampy an-dry zareo ny Kristianina tany Antiokia, na dia lavidavitra ihany aza no nisy an’ireo rahalahy tratran’ny mosary ireo. (1 Jaona 3:17, 18) Azontsika aseho koa hoe mangoraka ny mpiara-manompo isika rehefa henontsika hoe tratran’ny loza ry zareo. Tonga dia manao zavatra isika, ohatra hoe manontany ny anti-panahy raha misy tetikasa azontsika anampiana. Afaka manao fanomezana ho an’ny asa maneran-tany koa isika, na mivavaka ho an’ireo tra-boina. Mety hila ny fanampiantsika koa ny rahalahy sy anabavintsika, vao hahazo an’izay tena ilainy eo amin’ny fiainana. Rehefa ho avy hampihatra ny didim-pitsarany i Kristy Jesosy Mpanjakantsika, dia enga anie isika ho hitany hoe maneho fangorahana, amin’izay izy hanasa antsika ‘handova an’ilay Fanjakana.’—Mat. 25:34-40. w23.07 29:9-10, 12
Alatsinainy 11 Aogositra
Ataovy fantatry ny olona rehetra hoe mahay mandanjalanja ianareo.—Fil. 4:5.
Nahay nandanjalanja hoatran’i Jehovah i Jesosy. Nirahina tetỳ an-tany izy mba hitory tamin’ny ‘ondry very tamin’ny taranak’Israely.’ Nahay nandanjalanja anefa izy rehefa nanao an’izany asa nanendrena azy izany. Indray mandeha, ohatra, nisy vehivavy tsy Israelita niangavy azy mba hanasitrana ny zanany vavy. ‘Nijaly be’ izy io satria ‘nisy demonia.’ Nangoraka i Jesosy dia nanao an’izay nangatahin’ilay vehivavy, ka nanasitrana ny zanany vavy. (Mat. 15:21-28) Ity koa misy ohatra iray. Nisy fotoana i Jesosy nilaza hoe: “Izay tsy manaiky ... hoe mpianatro, dia tsy hekeko” koa. (Mat. 10:33) Tsy nekeny ho mpianany ve anefa i Petera, tatỳ aoriana, rehefa nanda azy intelo? Tsy izany! Fantatr’i Jesosy mantsy hoe nibebaka sy nanam-pinoana izy. Niseho taminy i Jesosy rehefa natsangana tamin’ny maty. Azo inoana fa nanome toky azy izy hoe namela ny helony ary mbola tia azy. (Lioka 24:33, 34) Mahay mandanjalanja i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. Ary isika? Tian’i Jehovah hahay handanjalanja koa isika. w23.07 32:6-7