FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Androany

Zoma 8 Aogositra

Matahotra an’i Jehovah ny olona manao izay mahitsy.​—Ohab. 14:2.

Hoatran’ny tsapan’ilay olo-marina atao hoe Lota no tsapantsika mahita ny fitondran-tenan’ny olona eo amin’izao tontolo izao. “Nalahelo be [izy] rehefa nahita an’ireo mpandika lalàna nanana fitondran-tena tsy misy henatra.” (2 Pet. 2:7, 8) Fantany mantsy hoe halan’ilay Raintsika any an-danitra ny fitondran-tena ratsy. Tia sy natahotra an’Andriamanitra i Lota. Tsy nanaiky hanana toe-tsaina mirefarefa amin’ny tany hoatran’ny an’ny olona nanodidina azy àry izy, ka hoe haloto fitondran-tena. Tsy manaja ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena koa ny olona manodidina antsika, na zara raha miraharaha an’izany. Afaka ny hadio fitondran-tena foana anefa isika, raha tsy mihena mihitsy ny fitiavantsika an’Andriamanitra sady mianatra matahotra azy isika. Manampy antsika hahavita an’izany i Jehovah, ka mampahery sy mandrisika antsika amin’ny alalan’ny bokin’ny Ohabolana. Tena afaka mandray soa avy amin’ny torohevitra ao ny Kristianina rehetra, na antitra na tanora, ary na lahy na vavy. Rehefa matahotra an’i Jehovah isika, dia mitandrina mba tsy hanala tsiny ny fitondran-tena ratsy. w23.06 28:1-2, 5

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Asabotsy 9 Aogositra

Raha misy te hanaraka ahy, dia tsy maintsy mandà ny tenany izy ka mitondra ny hazo fijaliany isan’andro ary manaraka ahy foana.​—Lioka 9:23.

Nenjehin’ny fianakaviana angamba ianao na nisy vola na zavatra nafoinao, amin’izay ilay Fanjakana no ho voalohany eo amin’ny fiainanao. (Mat. 6:33) Raha izany, dia matokia hoe tsikaritr’i Jehovah izay rehetra nataonao ho azy. (Heb. 6:10) Azo inoana fa hitanao hoe marina ity tenin’i Jesosy ity: “Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na saha, noho ny amiko sy ny vaovao tsara, ka tsy hahazo avo 100 heny amin’izao andro izao, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, saha, sy fanenjehana, ary fiainana mandrakizay ao amin’ilay tontolo ho avy.” (Mar. 10:29, 30) Betsaka lavitra noho izay sorona nataonao ny fitahiana azonao.​—Sal. 37:4. w24.03 10:5

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alahady 10 Aogositra

Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.​—Ohab. 17:17.

Rehefa tratran’ny mosary lehibe ny Kristianina tany Jodia, dia “nanapa-kevitra” ireo rahalahy tao amin’ny fiangonan’i Antiokia “fa samy handefa fanampiana araka izay vitany, ho an’ireo rahalahy nipetraka tany Jodia.” (Asa. 11:27-30) Tapa-kevitra ny hanampy an-dry zareo ny Kristianina tany Antiokia, na dia lavidavitra ihany aza no nisy an’ireo rahalahy tratran’ny mosary ireo. (1 Jaona 3:17, 18) Azontsika aseho koa hoe mangoraka ny mpiara-manompo isika rehefa henontsika hoe tratran’ny loza ry zareo. Tonga dia manao zavatra isika, ohatra hoe manontany ny anti-panahy raha misy tetikasa azontsika anampiana. Afaka manao fanomezana ho an’ny asa maneran-tany koa isika, na mivavaka ho an’ireo tra-boina. Mety hila ny fanampiantsika koa ny rahalahy sy anabavintsika, vao hahazo an’izay tena ilainy eo amin’ny fiainana. Rehefa ho avy hampihatra ny didim-pitsarany i Kristy Jesosy Mpanjakantsika, dia enga anie isika ho hitany hoe maneho fangorahana, amin’izay izy hanasa antsika ‘handova an’ilay Fanjakana.’​—Mat. 25:34-40. w23.07 29:9-10, 12

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara