Alakamisy 14 Aogositra
Nataon’i Jehovah nandeha tsara ny fiainany nandritra ny fotoana nitadiavany an’ilay tena Andriamanitra.—2 Tan. 26:5.
Nanetry tena i Ozia Mpanjaka tamin’izy tanora. Nianatra ny “hatahotra an’ilay tena Andriamanitra” izy. Notahin’i Jehovah àry izy tamin’ny ankapobeny, nandritra an’ireo 68 taona niainany. (2 Tan. 26:1-4) Nandresy firenena fahavalo be dia be izy, ary nataony azo antoka hoe voaro tsara i Jerosalema. (2 Tan. 26:6-15) Faly be izao i Ozia tamin’ny fanampiana rehetra nomen’Andriamanitra azy. (Mpito. 3:12, 13) Narahina foana ny tenin’i Ozia Mpanjaka hatramin’izay, dia efa zatra an’izany izy. Lasa nieritreritra ve izy hoe afaka manao izay tiany? Tsy haintsika izany. Fa indray andro izy niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah, dia nitady handoro emboka manitra teo amin’ny alitara. Sahisahy ratsy izy, satria tsy nahazo nanao an’izany ny mpanjaka. (2 Tan. 26:16-18) Niezaka nanitsy azy i Azaria Mpisoronabe, nefa tezitra be izy. Mampalahelo hoe efa tsy nivadika ihany i Ozia hatramin’izay, nefa hoatran’ny hoe very maina fotsiny izany. Voasazy àry izy ka lasa boka. (2 Tan. 26:19-21) Hafa mihitsy izao ny fiainany raha mba nanetry tena foana izy! w23.09 38:9-10
Zoma 15 Aogositra
Niala teo amin’izy ireo [izy], noho izy natahotra ny voafora.—Gal. 2:12.
Mbola nanana ny fahalemeny ihany ny apostoly Petera, na dia efa lasa Kristianina voahosotra aza. Eritrereto izay nitranga tamin’ny taona 36. Voahosotry ny fanahy masina i Kornelio, ary nahita an’izany i Petera. Anisan’ny hafa firenena tsy voafora izy io. Hita amin’izany hoe “tsy mijery tavan’olona Andriamanitra”, ary afaka ny ho anisan’ny fiangonana kristianina ny hafa firenena. (Asa. 10:34, 44, 45) Nanomboka niara-nisakafo tamin-dry zareo àry i Petera, nefa tsy ho nanao an’izany mihitsy izy taloha. Nisy Kristianina jiosy anefa nieritreritra hoe tsy tokony hiara-misakafo ny Jiosy sy ny hafa firenena. Rehefa nisy tamin-dry zareo tonga tany Antiokia, dia tsy niara-nisakafo tamin’ireo rahalahiny hafa firenena intsony i Petera. Natahotra angamba izy sao ho tafintohina ny Kristianina jiosy. Nanitsy an’i Petera teo imason’ny rehetra ny apostoly Paoly, rehefa nahita hoe nihatsaravelatsihy izy. (Gal. 2:13, 14) Na teo aza anefa ny fahadisoana nataon’i Petera, dia tsy nilavo lefona izy. w23.09 40:8
Asabotsy 16 Aogositra
Hataony mifototra tsara ianareo.—1 Pet. 5:10.
Mety hahita zavatra mila ahitsy ianao raha mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra, nefa aza kivy. “Tsara fanahy [mantsy] ny Tompo”, dia hanampy anao hihatsara izy. (1 Pet. 2:3) Nanome toky ny apostoly Petera hoe: ‘Hamita ny fampiofanana anareo Andriamanitra. Hanampy anareo ho mafy orina izy, sady hanatanjaka anareo, ary hataony mifototra tsara ianareo.’ Nisy fotoana i Petera nahatsiaro ho tsy mendrika ny ho eo anatrehan’ny Zanak’Andriamanitra. (Lioka 5:8) Nahavita nanara-dia an’i Kristy foana anefa izy, rehefa nampian’i Jehovah sy Jesosy. Navela ‘hiditra ao amin’ilay Fanjakana mandrakizay’ izy vokatr’izany, “dia ny Fanjakan’i Jesosy Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika.” (2 Pet. 1:11) Valisoa be izany! Miezaha àry hikiry foana hoatran’i Petera, dia avelao i Jehovah hampiofana anao. Hahazo valisoa koa ianao amin’izay, ka hiaina mandrakizay. Ho ‘tratranao ny tanjonao, dia ny hahazo famonjena, noho ianao manam-pinoana.’—1 Pet. 1:9. w23.09 41:16-17