Zoma 15 Aogositra
Niala teo amin’izy ireo [izy], noho izy natahotra ny voafora.—Gal. 2:12.
Mbola nanana ny fahalemeny ihany ny apostoly Petera, na dia efa lasa Kristianina voahosotra aza. Eritrereto izay nitranga tamin’ny taona 36. Voahosotry ny fanahy masina i Kornelio, ary nahita an’izany i Petera. Anisan’ny hafa firenena tsy voafora izy io. Hita amin’izany hoe “tsy mijery tavan’olona Andriamanitra”, ary afaka ny ho anisan’ny fiangonana kristianina ny hafa firenena. (Asa. 10:34, 44, 45) Nanomboka niara-nisakafo tamin-dry zareo àry i Petera, nefa tsy ho nanao an’izany mihitsy izy taloha. Nisy Kristianina jiosy anefa nieritreritra hoe tsy tokony hiara-misakafo ny Jiosy sy ny hafa firenena. Rehefa nisy tamin-dry zareo tonga tany Antiokia, dia tsy niara-nisakafo tamin’ireo rahalahiny hafa firenena intsony i Petera. Natahotra angamba izy sao ho tafintohina ny Kristianina jiosy. Nanitsy an’i Petera teo imason’ny rehetra ny apostoly Paoly, rehefa nahita hoe nihatsaravelatsihy izy. (Gal. 2:13, 14) Na teo aza anefa ny fahadisoana nataon’i Petera, dia tsy nilavo lefona izy. w23.09 40:8
Asabotsy 16 Aogositra
Hataony mifototra tsara ianareo.—1 Pet. 5:10.
Mety hahita zavatra mila ahitsy ianao raha mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra, nefa aza kivy. “Tsara fanahy [mantsy] ny Tompo”, dia hanampy anao hihatsara izy. (1 Pet. 2:3) Nanome toky ny apostoly Petera hoe: ‘Hamita ny fampiofanana anareo Andriamanitra. Hanampy anareo ho mafy orina izy, sady hanatanjaka anareo, ary hataony mifototra tsara ianareo.’ Nisy fotoana i Petera nahatsiaro ho tsy mendrika ny ho eo anatrehan’ny Zanak’Andriamanitra. (Lioka 5:8) Nahavita nanara-dia an’i Kristy foana anefa izy, rehefa nampian’i Jehovah sy Jesosy. Navela ‘hiditra ao amin’ilay Fanjakana mandrakizay’ izy vokatr’izany, “dia ny Fanjakan’i Jesosy Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika.” (2 Pet. 1:11) Valisoa be izany! Miezaha àry hikiry foana hoatran’i Petera, dia avelao i Jehovah hampiofana anao. Hahazo valisoa koa ianao amin’izay, ka hiaina mandrakizay. Ho ‘tratranao ny tanjonao, dia ny hahazo famonjena, noho ianao manam-pinoana.’—1 Pet. 1:9. w23.09 41:16-17
Alahady 17 Aogositra
Mivavaha amin’Ilay nanao ny lanitra sy ny tany.—Apok. 14:7.
Nisy tokotany ny tranolay masina. Toerana malalaka mifefy izy io, ary tao ny mpisorona no nanao ny andraikiny. Tao amin’io tokotany io koa ny alitara varahina lehibe fanaovana fanatitra dorana sy ny kovetabe varahina nisy rano. Io rano io no nampiasain’ny mpisorona hidiovana, talohan’ny nanaovany ny fanompoany masina. (Eks. 30:17-20; 40:6-8) Manompo ao amin’ilay tokotany anatiny amin’ilay tempoly ara-panahy ny sisa voahosotra rahalahin’i Jesosy amin’izao, sady miezaka ny tsy hivadika, alohan’ny hanaovany ny asan’ny mpisorona any an-danitra miaraka amin’i Jesosy. Fampahatsiahivana lehibe ilay kovetabe tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly hoe tokony hadio foana ry zareo, na eo amin’ny resaka fitondran-tena na ara-panahy. Tsy ho an-dry zareo ihany anefa izany, fa ho an’ny Kristianina rehetra mihitsy. Ary ahoana ny amin’ilay “vahoaka be”? Aiza ry zareo no manompo? Hitan’ny apostoly Jaona “nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana” ry zareo, ary “manao fanompoana masina ho an’Andriamanitra andro aman’alina.” (Apok. 7:9, 13-15) Eto an-tany, ao amin’ilay tokotany ivelan’ny tempoly ara-panahy, ry zareo no manao an’izany. Tena ankamamiantsika àry ilay tombontsoa lehibe hoe avelan’i Jehovah hanompo azy ao amin’ny tempoliny ara-panahy lehibe isika. w23.10 45:15-16