Alatsinainy 18 Aogositra
Efa nampanantena ... Andriamanitra ... dia nahazo hery izy noho ny finoany.—Rom. 4:20.
Anisan’ny fomba anomezan’i Jehovah hery antsika ny anti-panahy. (Isaia 32:1, 2) Raha miady saina àry ianao, dia resaho amin’ny anti-panahy izay mampanahy anao. Raiso tsara ny fanampiany. Amin’ny alalan’izy ireo mantsy i Jehovah no manatanjaka anao. Manome hery antsika koa ny fanantenantsika hiaina mandrakizay, na ao amin’ny tany lasa paradisa izany, na ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. (Rom. 4:3, 18, 19) Io fanantenana sarobidy io no manatanjaka antsika, dia lasa vitantsika ny miaritra fitsapana, mitory ny vaovao tsara, ary mamita an’ireo fanendrena samihafa ao amin’ny fiangonana. (1 Tes. 1:3) Io fanantenana io koa no nanatanjaka ny apostoly Paoly. “Voageja” izy, “very hevitra”, ‘nenjehina’, ary ‘nazera.’ Nisy fotoana aza izy saika maty. (2 Kor. 4:8-10) Nahazo hery hiaretana anefa i Paoly, satria nifantoka tamin’ny fanantenany. (2 Kor. 4:16-18) Nifantoka tamin’ny hoavy izy. Mbola “voninahitra lehibe lavitra” ilay fanantenana hiaina mandrakizay any an-danitra, ka vonona hiaritra fahoriana izy mba hahazoana an’izany. Nisaintsaina an’izany fanantenana izany i Paoly, dia lasa tsapany hoe ‘nohavaozina isan’andro’ izy. w23.10 43:14-17
Talata 19 Aogositra
Hanome hery ny vahoakany i Jehovah. Hitahy ny vahoakany i Jehovah ka hanome azy fiadanana.—Sal. 29:11.
Rehefa mivavaka ianao, dia eritrereto raha izao no fotoana mety amin’i Jehovah mba hamaliana ny vavakao. Mieritreritra isika indraindray hoe mila valim-bavaka eo no ho eo. Raha ny marina anefa, dia i Jehovah no mahafantatra ny fotoana tsara indrindra anampiana antsika. (Heb. 4:16) Rehefa tsy azontsika eo no ho eo izay nangatahintsika, dia mety hieritreritra isika hoe ‘tsia’ no valiny avy amin’i Jehovah. Indraindray anefa ilay valiny mety hoe ‘mbola tsy izao aloha.’ Nivavaka, ohatra, ny rahalahy tanora iray mba ho sitrana. Tsy nihatsara anefa ny fahasalamany. Raha nanao fahagagana i Jehovah mba hanasitranana azy, dia ho afaka nilaza i Satana hoe noho izy nositranina fotsiny no mahatonga azy hanompo an’i Jehovah. (Joba 1:9-11; 2:4) Tsy izay ihany, fa efa nisy fotoana noeritreretin’i Jehovah hanasitranana ny aretina rehetra. (Isaia 33:24; Apok. 21:3, 4) Tsy afaka manantena fahagagana àry isika mba ho sitrana, mandra-pahatongan’izay. Inona àry no azon’ilay rahalahy angatahina amin’i Jehovah? Hoe mba homeny hery sy fiadanan-tsaina izy, amin’izay hahavita hiaritra an’ilay aretiny sy hanompo an’Andriamanitra foana. w23.11 49:13
Alarobia 20 Aogositra
Tsy mamaly antsika araka ny fahotantsika izy, na manasazy antsika noho ny fahadisoantsika, araka izay tokony ho sahaza antsika.—Sal. 103:10.
Nanao fahadisoana lehibe i Samsona, nefa tsy nilavo lefona. Nitady hirika izy mba hanatanterahana an’ilay asa nanendren’Andriamanitra azy, dia ny hiady amin’ny Filistinina. (Mpits. 16:28-30) Niangavy an’i Jehovah àry izy hoe: “Avelao aho hamaly faty ny Filistinina.” Nohenoin’ilay tena Andriamanitra ny fitalahoany, dia nataony matanjaka be indray izy. Be lavitra noho ny hatramin’izay àry ny Filistinina matin’i Samsona tamin’io. Nizaka vokany mangidy i Samsona noho ny fahadisoana nataony, nefa mbola niezaka nanao ny sitrapon’i Jehovah foana izy. Ary isika? Tsy tokony hilavo lefona isika na dia nanao fahadisoana aza, ka nanarina na namoy tombontsoam-panompoana. Tadidio fa tsy manary antsika i Jehovah. (Sal. 103:8, 9) Mbola azony ampiasaina isika, hoatran’ny tamin’i Samsona, na dia nanao fahadisoana aza. w23.09 37:15-16