Talata 19 Aogositra
Hanome hery ny vahoakany i Jehovah. Hitahy ny vahoakany i Jehovah ka hanome azy fiadanana.—Sal. 29:11.
Rehefa mivavaka ianao, dia eritrereto raha izao no fotoana mety amin’i Jehovah mba hamaliana ny vavakao. Mieritreritra isika indraindray hoe mila valim-bavaka eo no ho eo. Raha ny marina anefa, dia i Jehovah no mahafantatra ny fotoana tsara indrindra anampiana antsika. (Heb. 4:16) Rehefa tsy azontsika eo no ho eo izay nangatahintsika, dia mety hieritreritra isika hoe ‘tsia’ no valiny avy amin’i Jehovah. Indraindray anefa ilay valiny mety hoe ‘mbola tsy izao aloha.’ Nivavaka, ohatra, ny rahalahy tanora iray mba ho sitrana. Tsy nihatsara anefa ny fahasalamany. Raha nanao fahagagana i Jehovah mba hanasitranana azy, dia ho afaka nilaza i Satana hoe noho izy nositranina fotsiny no mahatonga azy hanompo an’i Jehovah. (Joba 1:9-11; 2:4) Tsy izay ihany, fa efa nisy fotoana noeritreretin’i Jehovah hanasitranana ny aretina rehetra. (Isaia 33:24; Apok. 21:3, 4) Tsy afaka manantena fahagagana àry isika mba ho sitrana, mandra-pahatongan’izay. Inona àry no azon’ilay rahalahy angatahina amin’i Jehovah? Hoe mba homeny hery sy fiadanan-tsaina izy, amin’izay hahavita hiaritra an’ilay aretiny sy hanompo an’Andriamanitra foana. w23.11 49:13
Alarobia 20 Aogositra
Tsy mamaly antsika araka ny fahotantsika izy, na manasazy antsika noho ny fahadisoantsika, araka izay tokony ho sahaza antsika.—Sal. 103:10.
Nanao fahadisoana lehibe i Samsona, nefa tsy nilavo lefona. Nitady hirika izy mba hanatanterahana an’ilay asa nanendren’Andriamanitra azy, dia ny hiady amin’ny Filistinina. (Mpits. 16:28-30) Niangavy an’i Jehovah àry izy hoe: “Avelao aho hamaly faty ny Filistinina.” Nohenoin’ilay tena Andriamanitra ny fitalahoany, dia nataony matanjaka be indray izy. Be lavitra noho ny hatramin’izay àry ny Filistinina matin’i Samsona tamin’io. Nizaka vokany mangidy i Samsona noho ny fahadisoana nataony, nefa mbola niezaka nanao ny sitrapon’i Jehovah foana izy. Ary isika? Tsy tokony hilavo lefona isika na dia nanao fahadisoana aza, ka nanarina na namoy tombontsoam-panompoana. Tadidio fa tsy manary antsika i Jehovah. (Sal. 103:8, 9) Mbola azony ampiasaina isika, hoatran’ny tamin’i Samsona, na dia nanao fahadisoana aza. w23.09 37:15-16
Alakamisy 21 Aogositra
Ny fiaretana ... mahatonga antsika hankasitrahan’Andriamanitra, ny fankasitrahan’Andriamanitra kosa mahatonga antsika hanana fanantenana.—Rom. 5:4.
Mahatonga antsika “hankasitrahan’Andriamanitra” ny fiaretana. Tsy midika izany hoe faly i Jehovah rehefa miatrika fitsapana ianao na mahita olana. Ianao kosa no ankasitrahany. Rehefa miaritra ianao, dia mahazo sitraka aminy. Fitahiana miavaka izany! (Sal. 5:12) Tadidio fa niaritra fitsapana i Abrahama, ka lasa nankasitrahan’Andriamanitra. Noraisin’i Jehovah ho namany izy, ary nekeny ho olo-marina. (Gen. 15:6; Rom. 4:13, 22) Afaka ny ho hoatr’izany koa isika. Mety hoe mahavita be eo amin’ny fanompoana isika, na manana tombontsoam-panompoana. Tsy miankina amin’izany anefa ny fankasitrahan’Andriamanitra. Ankasitrahany kosa isika rehefa tsy mivadika sady miaritra. Afaka miaritra daholo isika, na firy taona na firy taona, ary na inona na inona zavatra iainantsika na fahaizantsika. Miatrika fitsapana ve ianao amin’izao nefa tsy mivadika? Mahereza fa ankasitrahan’Andriamanitra ianao. Afaka ny hisy vokany be aminao ny fahalalana an’izany. Mety hanamafy orina ny fanantenanao izany. w23.12 51:13-14