FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Mbum
  • Androany

Zoma 1 Aogositra

Maro ny zava-tsarotra atrehin’ny olo-marina, nefa manafaka azy amin’izany rehetra izany i Jehovah.​—Sal. 34:19.

Mariho ireo hevi-dehibe roa ao amin’io salamo io: 1) Miatrika zava-tsarotra ny olo-marina. 2) Manafaka antsika amin’ny fitsapana mahazo antsika i Jehovah. Ahoana no anaovany an’izany? Ampiany, ohatra, isika hijery ny tena zava-misy raha mbola eto amin’izao tontolo izao. Marina fa mampanantena izy hoe ho faly isika rehefa manompo azy, nefa tsy manome toky izy hoe hisosa fotsiny ny fiainantsika. (Isaia 66:14) Mampirisika antsika kosa izy mba hifantoka amin’ny hoavy. Amin’izay mantsy isika vao hanana an’ilay fiainana tiany hankafizintsika mandrakizay. (2 Kor. 4:16-18) Ampiany hahavita hiatrika ny andro tsirairay anefa isika mandra-pahatongan’izay. (Fitom. 3:22-24) Inona no azontsika ianarana avy amin’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, na taloha na amin’izao? Mety hiatrika olana tsy ampoizina isika. Rehefa miantehitra amin’i Jehovah anefa isika, dia tsy hanary antsika mihitsy izy.​—Sal. 55:22. w23.04 17:3-4

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Asabotsy 2 Aogositra

[Ekeo] ny manam-pahefana.​—Rom. 13:1.

Afaka mianatra avy amin’i Josefa sy Maria isika. Vonona hankatò ny manam-pahefana foana mantsy ry zareo, na dia rehefa sarotra aza izany. (Lioka 2:1-6) Tsy mora tamin’izy mivady, ohatra, ny nankatò, tamin’i Maria bevohoka sivy volana teo ho eo. I Aogosto no nitondra ny Fanjakana Romanina tamin’izany, dia nasainy nisoratra anarana tany amin’ny tanàna niaviany avy ny vahoaka. Nila nanao dia lavitra 150 kilaometatra nankany Betlehema àry i Josefa sy Maria, sady niaka-nidina be ny lalana. Nanahirana be ny nanao an’io dia io, indrindra ho an’i Maria. Natahotra angamba izy roa sao maninomaninona eny i Maria, na ilay zaza mbola ao an-kibo. Ahoana izao raha mihetsi-jaza eny an-dalana eny izy? Ny Mesia ange no ao an-kibony ao e! Tsy maninona ve izany raha tsy mankatò ny fanjakana ry zareo tamin’iny? Tsy navelan’i Josefa sy Maria hisakana azy tsy hankatò ireny fanahiana ireny. Notahin’i Jehovah àry ry zareo. Tonga soa aman-tsara tany Betlehema i Maria, dia niteraka zaza salama tsara, ary nanampy hanatanteraka faminanian’ny Baiboly mihitsy!​—Mika 5:2. w23.10 42:9, 11-12

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alahady 3 Aogositra

[Andao isika] hifampahery.​—Heb. 10:25.

Ahoana raha tsy mahazo aina ianao raha vao mieritreritra fotsiny hoe hamaly any am-pivoriana? Mahasoa ny hoe manomana tsara. (Ohab. 21:5) Ho mora kokoa aminao ny hamaly raha azonao tsara ilay fianarana. Ataovy fohy koa ny valin-teninao. (Ohab. 15:23; 17:27) Tsy dia hanahy loatra mantsy ianao raha fohy izany, ohatra hoe fehezanteny iray na roa fotsiny. Ho hita hoe nanomana tsara ianao sady azonao tsara ilay fianarana, raha manome valin-teny fohy amin’ny fomba fiteninao ianao. Ahoana raha efa niezaka nanaraka ny sasany tamin’ireo soso-kevitra ireo ianao, nefa mbola mitebiteby foana ka tsy mahavita mamaly mihoatra ny indray mandeha na indroa? Matokia fa faly i Jehovah rehefa miezaka manao izay vitanao ianao. (Lioka 21:1-4) Ny hoe manome ny tsara indrindra mantsy tsy midika hoe manezakezaka manao izay tsy ho vita. (Fil. 4:5) Fantaro hoe inona no azonao atao, dia ataovy tanjona ny hanao an’ilay izy, ary mivavaha mba hanana fo tony. Mety hoe ny hanome valin-teny fohy iray izany tanjona izany amin’ny voalohany. w23.04 18:6-8

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara