Alakamisy 31 Jolay
Fantaro tsara foana izay ankasitrahan’ny Tompo.—Efes. 5:10.
Rehefa misy fanapahan-kevitra lehibe raisintsika, dia mila fantarintsika “izay sitrapon’i Jehovah”, dia avy eo manao zavatra mifanaraka amin’izany. (Efes. 5:17) Mitady ny fomba fihevitr’Andriamanitra isika, raha ny marina, rehefa mamantatra ny torolalan’ny Baiboly mifanaraka amin’ny zavatra iainantsika. Azo inoana kokoa hoe handray fanapahan-kevitra tsara isika, rehefa mampihatra ny torolalany. Tian’ilay “ratsy”, na i Satana fahavalontsika, ho variana be foana amin’ny zavatra eto amin’izao tontolo izao isika, amin’izay tsy manam-potoana hanompoana an’Andriamanitra intsony. (1 Jaona 5:19) Lasa mora amin’ny Kristianina iray amin’izay ny hikely aina hitady vola sy harena, hianatra, na hiasa, noho ny hoe hanararaotra hampitombo ny fanompoany an’i Jehovah. Raha izay no mitranga, dia efa famantarana izany hoe misy vokany aminy ny toe-tsain’izao tontolo izao. Mazava ho azy, fa tsy ratsy ireo zavatra ireo, nefa tsy tokony ho ireo mihitsy no voalohany eo amin’ny fiainantsika. w24.03 12:16-17
Zoma 1 Aogositra
Maro ny zava-tsarotra atrehin’ny olo-marina, nefa manafaka azy amin’izany rehetra izany i Jehovah.—Sal. 34:19.
Mariho ireo hevi-dehibe roa ao amin’io salamo io: 1) Miatrika zava-tsarotra ny olo-marina. 2) Manafaka antsika amin’ny fitsapana mahazo antsika i Jehovah. Ahoana no anaovany an’izany? Ampiany, ohatra, isika hijery ny tena zava-misy raha mbola eto amin’izao tontolo izao. Marina fa mampanantena izy hoe ho faly isika rehefa manompo azy, nefa tsy manome toky izy hoe hisosa fotsiny ny fiainantsika. (Isaia 66:14) Mampirisika antsika kosa izy mba hifantoka amin’ny hoavy. Amin’izay mantsy isika vao hanana an’ilay fiainana tiany hankafizintsika mandrakizay. (2 Kor. 4:16-18) Ampiany hahavita hiatrika ny andro tsirairay anefa isika mandra-pahatongan’izay. (Fitom. 3:22-24) Inona no azontsika ianarana avy amin’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, na taloha na amin’izao? Mety hiatrika olana tsy ampoizina isika. Rehefa miantehitra amin’i Jehovah anefa isika, dia tsy hanary antsika mihitsy izy.—Sal. 55:22. w23.04 17:3-4
Asabotsy 2 Aogositra
[Ekeo] ny manam-pahefana.—Rom. 13:1.
Afaka mianatra avy amin’i Josefa sy Maria isika. Vonona hankatò ny manam-pahefana foana mantsy ry zareo, na dia rehefa sarotra aza izany. (Lioka 2:1-6) Tsy mora tamin’izy mivady, ohatra, ny nankatò, tamin’i Maria bevohoka sivy volana teo ho eo. I Aogosto no nitondra ny Fanjakana Romanina tamin’izany, dia nasainy nisoratra anarana tany amin’ny tanàna niaviany avy ny vahoaka. Nila nanao dia lavitra 150 kilaometatra nankany Betlehema àry i Josefa sy Maria, sady niaka-nidina be ny lalana. Nanahirana be ny nanao an’io dia io, indrindra ho an’i Maria. Natahotra angamba izy roa sao maninomaninona eny i Maria, na ilay zaza mbola ao an-kibo. Ahoana izao raha mihetsi-jaza eny an-dalana eny izy? Ny Mesia ange no ao an-kibony ao e! Tsy maninona ve izany raha tsy mankatò ny fanjakana ry zareo tamin’iny? Tsy navelan’i Josefa sy Maria hisakana azy tsy hankatò ireny fanahiana ireny. Notahin’i Jehovah àry ry zareo. Tonga soa aman-tsara tany Betlehema i Maria, dia niteraka zaza salama tsara, ary nanampy hanatanteraka faminanian’ny Baiboly mihitsy!—Mika 5:2. w23.10 42:9, 11-12