Asabotsy 23 Aogositra
Ho avy hoatran’ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’i Jehovah.—1 Tes. 5:2.
Ilay fotoana hitsaran’i Jehovah ny fahavalony sy hamonjeny ny vahoakany no atao hoe “andron’i Jehovah” ao amin’ny Baiboly. Efa nampihatra ny didim-pitsarany izy taloha. (Isaia 13:1, 6; Ezek. 13:5; Zef. 1:8) Mbola misy “andron’i Jehovah” koa amin’izao. Hanomboka izy io rehefa ringanina i Babylona Lehibe, ary hifarana amin’ny ady Aramagedona. Mila miomana dieny izao isika raha te ho tafavoaka velona amin’io “andro” io. Tsy ampy anefa ny miomana ho amin’ny “fahoriana lehibe.” Nampianarin’i Jesosy koa hoe tsy maintsy “vonona foana” isika hiatrika azy io. (Mat. 24:21; Lioka 12:40) Nampiasa fanoharana maromaro ny apostoly Paoly ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Tesalonianina, mba hanampiana ny Kristianina ho vonona foana ho amin’ilay andro lehibe hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany. Fantatr’i Paoly hoe tsy ho tonga tamin’izany io andro io. (2 Tes. 2:1-3) Nampirisika an’ireo rahalahiny anefa izy mba hiomana, ka hihevitra azy io ho hoatran’ny hoe ho tonga rahampitso. Tokony hampihatra an’io torohevitra io koa isika. w23.06 26:1-2
Alahady 24 Aogositra
Ry rahalahy malalako, ... aza manaiky ho voahozongozona ary aza miovaova mihitsy.—1 Kor. 15:58.
Nisy trano avo be misy rihana 59 naorina tany Tokyo, any Japon, tamin’ny 1978. Matetika misy horohoron-tany ao amin’io tanàna io, ka lasa saina ny olona hoe io ve dia tsy ho rava. Rehefa nanorina an’io trano io anefa ny injeniera, dia tsy hoe nataony mafy tsara fotsiny ilay izy, fa nataony afaka mitongilana kely manaraka ny fihetsehan’ny tany koa mba tsy ho rava. Azo oharina amin’io trano avo be io ny Kristianina. Nahoana? Tsy maintsy mahay mandanjalanja ny Kristianina, ka tsy hanaiky ho voahozongozona nefa koa hahay hilefitra. Tsy tokony hiovaova mihitsy izy, fa hankatò ny lalàn’i Jehovah sy ny fitsipiny foana. “Vonona hankatò” izy ary tsy mampandefitra ny finoany. Tokony ‘hahay handanjalanja’ koa anefa izy, izany hoe hilefitra, rehefa mamela an’izany ny zava-misy na mitaky an’izany. (Jak. 3:17) Rehefa mianatra ny hahay handanjalanja hoatr’izany ny Kristianina, dia tsy ho hentitra loatra nefa koa tsy hilefitra loatra. w23.07 31:1-2
Alatsinainy 25 Aogositra
Na mbola tsy hitanareo mihitsy aza i Kristy, dia tia azy ianareo.—1 Pet. 1:8.
Tsy maintsy nanohitra ny fakam-panahy avy tamin’i Satana Devoly i Jesosy. Anisan’izany ilay izy nampirisihiny mivantana hivadika amin’Andriamanitra. (Mat. 4:1-11) Tapa-kevitra i Satana hoe hataony izay hahatonga an’i Jesosy hanota, amin’izay izy tsy ho afaka handoa ny vidim-panavotana. Mbola niatrika fitsapana hafa i Jesosy nandritra ny fanompoany teto an-tany. Nenjehina sy norahonana ho faty izy. (Lioka 4:28, 29; 13:31) Tsy maintsy nizaka ny tsy fahalavorarian’ny mpanara-dia azy koa izy. (Mar. 9:33, 34) Rehefa notsaraina izy, dia nampijalijalina sy nesoesoina. Novonoina hoatran’ny olon-dratsy izy tamin’ny farany, ary nanaintaina be. (Heb. 12:1-3) Tsy maintsy niady irery izy rehefa nijalijaly teo amin’ny hazo fijaliana, satria tsy niaro azy intsony i Jehovah. (Mat. 27:46) Tena nijaly be àry i Jesosy mba hanomezana ny vidim-panavotana. Tsy vao mainka ve ianao tia azy rehefa misaintsaina hoe vonona hamoy zavatra be dia be ho antsika izy? w24.01 2:7-9