Alahady 24 Aogositra
Ry rahalahy malalako, ... aza manaiky ho voahozongozona ary aza miovaova mihitsy.—1 Kor. 15:58.
Nisy trano avo be misy rihana 59 naorina tany Tokyo, any Japon, tamin’ny 1978. Matetika misy horohoron-tany ao amin’io tanàna io, ka lasa saina ny olona hoe io ve dia tsy ho rava. Rehefa nanorina an’io trano io anefa ny injeniera, dia tsy hoe nataony mafy tsara fotsiny ilay izy, fa nataony afaka mitongilana kely manaraka ny fihetsehan’ny tany koa mba tsy ho rava. Azo oharina amin’io trano avo be io ny Kristianina. Nahoana? Tsy maintsy mahay mandanjalanja ny Kristianina, ka tsy hanaiky ho voahozongozona nefa koa hahay hilefitra. Tsy tokony hiovaova mihitsy izy, fa hankatò ny lalàn’i Jehovah sy ny fitsipiny foana. “Vonona hankatò” izy ary tsy mampandefitra ny finoany. Tokony ‘hahay handanjalanja’ koa anefa izy, izany hoe hilefitra, rehefa mamela an’izany ny zava-misy na mitaky an’izany. (Jak. 3:17) Rehefa mianatra ny hahay handanjalanja hoatr’izany ny Kristianina, dia tsy ho hentitra loatra nefa koa tsy hilefitra loatra. w23.07 31:1-2
Alatsinainy 25 Aogositra
Na mbola tsy hitanareo mihitsy aza i Kristy, dia tia azy ianareo.—1 Pet. 1:8.
Tsy maintsy nanohitra ny fakam-panahy avy tamin’i Satana Devoly i Jesosy. Anisan’izany ilay izy nampirisihiny mivantana hivadika amin’Andriamanitra. (Mat. 4:1-11) Tapa-kevitra i Satana hoe hataony izay hahatonga an’i Jesosy hanota, amin’izay izy tsy ho afaka handoa ny vidim-panavotana. Mbola niatrika fitsapana hafa i Jesosy nandritra ny fanompoany teto an-tany. Nenjehina sy norahonana ho faty izy. (Lioka 4:28, 29; 13:31) Tsy maintsy nizaka ny tsy fahalavorarian’ny mpanara-dia azy koa izy. (Mar. 9:33, 34) Rehefa notsaraina izy, dia nampijalijalina sy nesoesoina. Novonoina hoatran’ny olon-dratsy izy tamin’ny farany, ary nanaintaina be. (Heb. 12:1-3) Tsy maintsy niady irery izy rehefa nijalijaly teo amin’ny hazo fijaliana, satria tsy niaro azy intsony i Jehovah. (Mat. 27:46) Tena nijaly be àry i Jesosy mba hanomezana ny vidim-panavotana. Tsy vao mainka ve ianao tia azy rehefa misaintsaina hoe vonona hamoy zavatra be dia be ho antsika izy? w24.01 2:7-9
Talata 26 Aogositra
Hahantra ... izay rehetra maimaika.—Ohab. 21:5.
Manampy antsika hifandray tsara amin’ny hafa ny faharetana. Hihaino tsara, ohatra, isika rehefa misy miresaka. (Jak. 1:19) Manampy antsika ho tsara fihavanana amin’ny olona koa izy io. Miaro antsika io toetra io mba tsy hanao zavatra maimaika sy tsy hanao teny maharary rehefa miady saina. Tsy ho mora tezitra koa isika rehefa misy mandratra ny fontsika. Tsy hamaly faty isika fa hiezaka ‘foana hifandefitra sy hifamela heloka tanteraka.’ (Kol. 3:12, 13) Manampy antsika hahay hanapa-kevitra koa ny faharetana. Tsy ho maimaika na ho taitaitra isika, fa haka fotoana tsara hanaovana fikarohana sy handinihana an’izay safidy ananantsika. Raha mitady asa, ohatra, isika dia mety ho te hanaiky an’izay asa voalohany hitantsika eo. Raha manam-paharetana kosa isika, dia haka fotoana tsara mba handinihana hoe inona no ho vokatr’ilay izy amin’ny fianakaviantsika sy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Mety tsy handray fanapahan-kevitra ratsy isika raha manam-paharetana. w23.08 35:8-9