Alatsinainy 25 Aogositra
Na mbola tsy hitanareo mihitsy aza i Kristy, dia tia azy ianareo.—1 Pet. 1:8.
Tsy maintsy nanohitra ny fakam-panahy avy tamin’i Satana Devoly i Jesosy. Anisan’izany ilay izy nampirisihiny mivantana hivadika amin’Andriamanitra. (Mat. 4:1-11) Tapa-kevitra i Satana hoe hataony izay hahatonga an’i Jesosy hanota, amin’izay izy tsy ho afaka handoa ny vidim-panavotana. Mbola niatrika fitsapana hafa i Jesosy nandritra ny fanompoany teto an-tany. Nenjehina sy norahonana ho faty izy. (Lioka 4:28, 29; 13:31) Tsy maintsy nizaka ny tsy fahalavorarian’ny mpanara-dia azy koa izy. (Mar. 9:33, 34) Rehefa notsaraina izy, dia nampijalijalina sy nesoesoina. Novonoina hoatran’ny olon-dratsy izy tamin’ny farany, ary nanaintaina be. (Heb. 12:1-3) Tsy maintsy niady irery izy rehefa nijalijaly teo amin’ny hazo fijaliana, satria tsy niaro azy intsony i Jehovah. (Mat. 27:46) Tena nijaly be àry i Jesosy mba hanomezana ny vidim-panavotana. Tsy vao mainka ve ianao tia azy rehefa misaintsaina hoe vonona hamoy zavatra be dia be ho antsika izy? w24.01 2:7-9
Talata 26 Aogositra
Hahantra ... izay rehetra maimaika.—Ohab. 21:5.
Manampy antsika hifandray tsara amin’ny hafa ny faharetana. Hihaino tsara, ohatra, isika rehefa misy miresaka. (Jak. 1:19) Manampy antsika ho tsara fihavanana amin’ny olona koa izy io. Miaro antsika io toetra io mba tsy hanao zavatra maimaika sy tsy hanao teny maharary rehefa miady saina. Tsy ho mora tezitra koa isika rehefa misy mandratra ny fontsika. Tsy hamaly faty isika fa hiezaka ‘foana hifandefitra sy hifamela heloka tanteraka.’ (Kol. 3:12, 13) Manampy antsika hahay hanapa-kevitra koa ny faharetana. Tsy ho maimaika na ho taitaitra isika, fa haka fotoana tsara hanaovana fikarohana sy handinihana an’izay safidy ananantsika. Raha mitady asa, ohatra, isika dia mety ho te hanaiky an’izay asa voalohany hitantsika eo. Raha manam-paharetana kosa isika, dia haka fotoana tsara mba handinihana hoe inona no ho vokatr’ilay izy amin’ny fianakaviantsika sy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Mety tsy handray fanapahan-kevitra ratsy isika raha manam-paharetana. w23.08 35:8-9
Alarobia 27 Aogositra
Misy lalàna hafa miady amin’ny lalàna mifehy ny saiko ... ao amin’ny vatako ao, sady mitarika ahy ho babon’ny lalàn’ny ota ao amin’ny vatako.—Rom. 7:23.
Raha kivy ianao noho ny fanirian-dratsy iadianao, dia ho tapa-kevitra kokoa hanohitra fakam-panahy ianao raha misaintsaina ny fampanantenana nataonao tamin’i Jehovah tamin’ianao nanokan-tena ho azy. Nahoana? Mandà ny tenanao ianao rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah. Midika izany hoe lavinao izay fanirianao sy tanjonao, raha vao tsy mampifaly an’i Jehovah ilay izy. (Mat. 16:24) Rehefa misy fitsapana àry, dia tsy mila mandany fotoana hiasana saina be ny amin’izay hatao ianao. Efa navalonao tany daholo mantsy ny safidy hafa rehetra, afa-tsy iray ihany. Inona izany? Ny hoe tsy hivadika amin’i Jehovah! Ho tapa-kevitra foana ianao hoe hampifaly azy. Hitovitovy amin’i Joba ianao amin’izay. Na dia niatrika ny mangidy indrindra aza izy, dia resy lahatra be rehefa niteny hoe: “Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho.”—Joba 27:5. w24.03 10:6-7