FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Romany (Meçkar)
  • Androany

Alarobia 27 Aogositra

Misy lalàna hafa miady amin’ny lalàna mifehy ny saiko ... ao amin’ny vatako ao, sady mitarika ahy ho babon’ny lalàn’ny ota ao amin’ny vatako.​—Rom. 7:23.

Raha kivy ianao noho ny fanirian-dratsy iadianao, dia ho tapa-kevitra kokoa hanohitra fakam-panahy ianao raha misaintsaina ny fampanantenana nataonao tamin’i Jehovah tamin’ianao nanokan-tena ho azy. Nahoana? Mandà ny tenanao ianao rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah. Midika izany hoe lavinao izay fanirianao sy tanjonao, raha vao tsy mampifaly an’i Jehovah ilay izy. (Mat. 16:24) Rehefa misy fitsapana àry, dia tsy mila mandany fotoana hiasana saina be ny amin’izay hatao ianao. Efa navalonao tany daholo mantsy ny safidy hafa rehetra, afa-tsy iray ihany. Inona izany? Ny hoe tsy hivadika amin’i Jehovah! Ho tapa-kevitra foana ianao hoe hampifaly azy. Hitovitovy amin’i Joba ianao amin’izay. Na dia niatrika ny mangidy indrindra aza izy, dia resy lahatra be rehefa niteny hoe: “Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho.”​—Joba 27:5. w24.03 10:6-7

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alakamisy 28 Aogositra

Akaiky an’izay rehetra miantso azy i Jehovah, dia izay rehetra miantso azy araka ny fahamarinana.​—Sal. 145:18.

Tena manampy antsika i Jehovah, “ilay Andriamanitry ny fitiavana.” (2 Kor. 13:11) Mahaliana azy izay mitranga amintsika tsirairay. Resy lahatra isika hoe ‘manodidina [antsika] ny fitiavany sy ny tsy fivadihany.’ (Sal. 32:10) Inona no vokany rehefa misaintsaina ny fomba anehoany fitiavana antsika isika? Vao mainka isika hino hoe tena misy izy, dia ho lasa akaiky kokoa azy. Tsy misalasala mivavaka aminy isika, dia lazaintsika aminy hoe tena mila ny fitiavany isika. Azontsika tantaraina aminy daholo izay mampanahy antsika, satria matoky isika fa ho azony tsara izany ary vonona hanampy antsika izy. (Sal. 145:19) Manintona antsika ny fitiavan’i Jehovah, hoatran’ny afon-dasy manintona antsika rehefa mangatsiaka ny andro. Marina hoe mahery be ny fitiavany, nefa feno hatsaram-panahy koa. Tsy faly erỳ ve ianao satria tia anao izy? Enga anie isika rehetra hamaly fitia azy, dia hilaza koa hoe: “Tiako i Jehovah”!​—Sal. 116:1. w24.01 4:19-20

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Zoma 29 Aogositra

Efa nampahafantariko ... ny anaranao.​—Jaona 17:26.

Tsy hoe nilaza tamin’ny olona fotsiny i Jesosy hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Efa nahafantatra an’io anarana io mantsy ny Jiosy nampianariny. I Jesosy kosa no voalohany “nanazava ny momba Azy.” (Jaona 1:17, 18) Milaza, ohatra, ny Soratra Hebreo fa mamindra fo sy mangoraka i Jehovah. (Eks. 34:5-7) Nataon’i Jesosy nazava kokoa anefa izany, rehefa nilaza an’ilay fanoharana momba ny zanaka adala sy ny rainy izy. “Mbola lavitra” ilay zanany lahy efa nibebaka dia efa tazan’ny rainy. Nihazakazaka nanatona azy izy, namihina azy, ary namela azy tanteraka. (Lioka 15:11-32) Lasa mazava be amintsika àry fa tena mamindra fo sy mangoraka i Jehovah. Nasehon’i Jesosy tamin’izany hoe hoatran’ny ahoana marina ny Rainy. w24.02 6:8-9

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara