Alakamisy 28 Aogositra
Akaiky an’izay rehetra miantso azy i Jehovah, dia izay rehetra miantso azy araka ny fahamarinana.—Sal. 145:18.
Tena manampy antsika i Jehovah, “ilay Andriamanitry ny fitiavana.” (2 Kor. 13:11) Mahaliana azy izay mitranga amintsika tsirairay. Resy lahatra isika hoe ‘manodidina [antsika] ny fitiavany sy ny tsy fivadihany.’ (Sal. 32:10) Inona no vokany rehefa misaintsaina ny fomba anehoany fitiavana antsika isika? Vao mainka isika hino hoe tena misy izy, dia ho lasa akaiky kokoa azy. Tsy misalasala mivavaka aminy isika, dia lazaintsika aminy hoe tena mila ny fitiavany isika. Azontsika tantaraina aminy daholo izay mampanahy antsika, satria matoky isika fa ho azony tsara izany ary vonona hanampy antsika izy. (Sal. 145:19) Manintona antsika ny fitiavan’i Jehovah, hoatran’ny afon-dasy manintona antsika rehefa mangatsiaka ny andro. Marina hoe mahery be ny fitiavany, nefa feno hatsaram-panahy koa. Tsy faly erỳ ve ianao satria tia anao izy? Enga anie isika rehetra hamaly fitia azy, dia hilaza koa hoe: “Tiako i Jehovah”!—Sal. 116:1. w24.01 4:19-20
Zoma 29 Aogositra
Efa nampahafantariko ... ny anaranao.—Jaona 17:26.
Tsy hoe nilaza tamin’ny olona fotsiny i Jesosy hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Efa nahafantatra an’io anarana io mantsy ny Jiosy nampianariny. I Jesosy kosa no voalohany “nanazava ny momba Azy.” (Jaona 1:17, 18) Milaza, ohatra, ny Soratra Hebreo fa mamindra fo sy mangoraka i Jehovah. (Eks. 34:5-7) Nataon’i Jesosy nazava kokoa anefa izany, rehefa nilaza an’ilay fanoharana momba ny zanaka adala sy ny rainy izy. “Mbola lavitra” ilay zanany lahy efa nibebaka dia efa tazan’ny rainy. Nihazakazaka nanatona azy izy, namihina azy, ary namela azy tanteraka. (Lioka 15:11-32) Lasa mazava be amintsika àry fa tena mamindra fo sy mangoraka i Jehovah. Nasehon’i Jesosy tamin’izany hoe hoatran’ny ahoana marina ny Rainy. w24.02 6:8-9
Asabotsy 30 Aogositra
Noho isika ampiononin’Andriamanitra, dia lasa haintsika koa ny mampionona [ny hafa].—2 Kor. 1:4.
Mamelombelona sy mampionona an’izay malahelo i Jehovah. Inona no hanampy antsika hangoraka sy hampionona ny hafa hoatran’i Jehovah? Azo atao, ohatra, ny miezaka hanana toetra sasany. Inona avy izany? Inona no hanampy antsika ho tia foana an’ireo rahalahy sy anabavy, amin’izay isika hahavita ‘hiezaka foana hifampionona’ isan’andro? (1 Tes. 4:18) Mila mianatra miara-ory isika, mifankatia hoatran’ny mpirahalahy, ary ho tsara fanahy. (Kol. 3:12; 1 Pet. 3:8) Nahoana no hanampy antsika ireo toetra ireo? Rehefa lasa toetrantsika ilay hoe mangoraka sy ny toetra hafa mifandray amin’izany, dia tsy ho vitantsika mihitsy ny hijery fotsiny rehefa misy olona ory fa hampionona azy isika. Nilaza i Jesosy hoe: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany. Ny olona tsara dia mamoaka an’izay zavatra tsara tehiriziny ao am-pony.” (Mat. 12:34, 35) Anisan’ny fomba lehibe ampisehoantsika ny fitiavantsika an’ireo rahalahy sy anabavy mila fanampiana àry ilay hoe mampionona azy. w23.11 47:10-11