Zoma 29 Aogositra
Efa nampahafantariko ... ny anaranao.—Jaona 17:26.
Tsy hoe nilaza tamin’ny olona fotsiny i Jesosy hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Efa nahafantatra an’io anarana io mantsy ny Jiosy nampianariny. I Jesosy kosa no voalohany “nanazava ny momba Azy.” (Jaona 1:17, 18) Milaza, ohatra, ny Soratra Hebreo fa mamindra fo sy mangoraka i Jehovah. (Eks. 34:5-7) Nataon’i Jesosy nazava kokoa anefa izany, rehefa nilaza an’ilay fanoharana momba ny zanaka adala sy ny rainy izy. “Mbola lavitra” ilay zanany lahy efa nibebaka dia efa tazan’ny rainy. Nihazakazaka nanatona azy izy, namihina azy, ary namela azy tanteraka. (Lioka 15:11-32) Lasa mazava be amintsika àry fa tena mamindra fo sy mangoraka i Jehovah. Nasehon’i Jesosy tamin’izany hoe hoatran’ny ahoana marina ny Rainy. w24.02 6:8-9
Asabotsy 30 Aogositra
Noho isika ampiononin’Andriamanitra, dia lasa haintsika koa ny mampionona [ny hafa].—2 Kor. 1:4.
Mamelombelona sy mampionona an’izay malahelo i Jehovah. Inona no hanampy antsika hangoraka sy hampionona ny hafa hoatran’i Jehovah? Azo atao, ohatra, ny miezaka hanana toetra sasany. Inona avy izany? Inona no hanampy antsika ho tia foana an’ireo rahalahy sy anabavy, amin’izay isika hahavita ‘hiezaka foana hifampionona’ isan’andro? (1 Tes. 4:18) Mila mianatra miara-ory isika, mifankatia hoatran’ny mpirahalahy, ary ho tsara fanahy. (Kol. 3:12; 1 Pet. 3:8) Nahoana no hanampy antsika ireo toetra ireo? Rehefa lasa toetrantsika ilay hoe mangoraka sy ny toetra hafa mifandray amin’izany, dia tsy ho vitantsika mihitsy ny hijery fotsiny rehefa misy olona ory fa hampionona azy isika. Nilaza i Jesosy hoe: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany. Ny olona tsara dia mamoaka an’izay zavatra tsara tehiriziny ao am-pony.” (Mat. 12:34, 35) Anisan’ny fomba lehibe ampisehoantsika ny fitiavantsika an’ireo rahalahy sy anabavy mila fanampiana àry ilay hoe mampionona azy. w23.11 47:10-11
Alahady 31 Aogositra
Izay lalin-tsaina ihany no hahazo [ny dikan’izany].—Dan. 12:10.
Mila mangataka fanampiana isika raha te hahazo ny faminanian’ny Baiboly. Andao hatao hoe mitsidika toerana iray mbola tsy nalehanao ianao. Mahafantatra tsara an’ilay toerana anefa ny namanao iray, ary miara-dalana aminao izy. Fantany tsara hoe aiza ho aiza ianao, ary mitondra mankaiza ny lalana tsirairay. Azo antoka hoe faly ianao satria nanaiky hiara-dalana aminao izy! Hoatr’izany koa i Jehovah. Fantany tsara hoe aiza ho aiza isika amin’ny fandehan’ny fotoana, ary inona no miandry antsika ao aloha ao. Tsy maintsy manetry tena àry isika dia mangataka ny fanampian’i Jehovah, raha te hahazo ny faminanian’ny Baiboly. (Dan. 2:28; 2 Pet. 1:19, 20) Hoatran’ny ray be fitiavana i Jehovah, ka tiany hanana hoavy sambatra ny zanany. (Jer. 29:11) Tsy hoatran’ny ray olombelona anefa izy, satria afaka milaza mialoha an’izay hitranga amin’ny hoavy, ary marina tsara foana izay lazainy. Nasainy nosoratana ao amin’ny Teniny ny faminaniana, amin’izay isika afaka mahafantatra mialoha an’izay zava-dehibe hitranga.—Isaia 46:10. w23.08 34:3-4