FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Androany

Asabotsy 30 Aogositra

Noho isika ampiononin’Andriamanitra, dia lasa haintsika koa ny mampionona [ny hafa].​—2 Kor. 1:4.

Mamelombelona sy mampionona an’izay malahelo i Jehovah. Inona no hanampy antsika hangoraka sy hampionona ny hafa hoatran’i Jehovah? Azo atao, ohatra, ny miezaka hanana toetra sasany. Inona avy izany? Inona no hanampy antsika ho tia foana an’ireo rahalahy sy anabavy, amin’izay isika hahavita ‘hiezaka foana hifampionona’ isan’andro? (1 Tes. 4:18) Mila mianatra miara-ory isika, mifankatia hoatran’ny mpirahalahy, ary ho tsara fanahy. (Kol. 3:12; 1 Pet. 3:8) Nahoana no hanampy antsika ireo toetra ireo? Rehefa lasa toetrantsika ilay hoe mangoraka sy ny toetra hafa mifandray amin’izany, dia tsy ho vitantsika mihitsy ny hijery fotsiny rehefa misy olona ory fa hampionona azy isika. Nilaza i Jesosy hoe: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany. Ny olona tsara dia mamoaka an’izay zavatra tsara tehiriziny ao am-pony.” (Mat. 12:34, 35) Anisan’ny fomba lehibe ampisehoantsika ny fitiavantsika an’ireo rahalahy sy anabavy mila fanampiana àry ilay hoe mampionona azy. w23.11 47:10-11

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alahady 31 Aogositra

Izay lalin-tsaina ihany no hahazo [ny dikan’izany].​—Dan. 12:10.

Mila mangataka fanampiana isika raha te hahazo ny faminanian’ny Baiboly. Andao hatao hoe mitsidika toerana iray mbola tsy nalehanao ianao. Mahafantatra tsara an’ilay toerana anefa ny namanao iray, ary miara-dalana aminao izy. Fantany tsara hoe aiza ho aiza ianao, ary mitondra mankaiza ny lalana tsirairay. Azo antoka hoe faly ianao satria nanaiky hiara-dalana aminao izy! Hoatr’izany koa i Jehovah. Fantany tsara hoe aiza ho aiza isika amin’ny fandehan’ny fotoana, ary inona no miandry antsika ao aloha ao. Tsy maintsy manetry tena àry isika dia mangataka ny fanampian’i Jehovah, raha te hahazo ny faminanian’ny Baiboly. (Dan. 2:28; 2 Pet. 1:19, 20) Hoatran’ny ray be fitiavana i Jehovah, ka tiany hanana hoavy sambatra ny zanany. (Jer. 29:11) Tsy hoatran’ny ray olombelona anefa izy, satria afaka milaza mialoha an’izay hitranga amin’ny hoavy, ary marina tsara foana izay lazainy. Nasainy nosoratana ao amin’ny Teniny ny faminaniana, amin’izay isika afaka mahafantatra mialoha an’izay zava-dehibe hitranga.​—Isaia 46:10. w23.08 34:3-4

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alatsinainy 1 Septambra

Hisy mazava hiposaka ho antsika avy any amin’ny avo.​—Lioka 1:78.

Nomen’Andriamanitra hery hamahana ny olana rehetra mahazo ny olombelona i Jesosy. Nasehon’i Jesosy tamin’ireny fahagagana ireny, fa manana hery hamahana olana tsy ho voavahantsika samirery mihitsy izy. Afaka manafaka antsika amin’ny fototry ny olana mahazo ny olombelona, ohatra, izy. Inona izany? Ny ota sy ny vokatr’izy io, izany hoe ny aretina sy ny fahafatesana. (Mat. 9:1-6; Rom. 5:12, 18, 19) Voaporofo tamin’ny fahagagana nataony hoe afaka manasitrana ny “karazan’aretina rehetra” izy, ary afaka manangana ny maty mihitsy aza. (Mat. 4:23; Jaona 11:43, 44) Mahafehy tafio-drivotra mahery koa izy sady maharesy fanahy ratsy. (Mar. 4:37-39; Lioka 8:2) Lasa feno toky àry isika mahafantatra hoe hoatr’izany ny hery nomen’i Jehovah an’ilay Zanany! Afaka matoky tanteraka isika hoe tena hitranga ny zavatra tsara be dia be ampanantenain’Andriamanitra rehefa mitondra ny Fanjakany. Hita amin’ireny fahagagana nataon’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany ireny hoe mbola hanao an’izany maneran-tany izy, rehefa lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. w23.04 15:5-7

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara