Alahady 31 Aogositra
Izay lalin-tsaina ihany no hahazo [ny dikan’izany].—Dan. 12:10.
Mila mangataka fanampiana isika raha te hahazo ny faminanian’ny Baiboly. Andao hatao hoe mitsidika toerana iray mbola tsy nalehanao ianao. Mahafantatra tsara an’ilay toerana anefa ny namanao iray, ary miara-dalana aminao izy. Fantany tsara hoe aiza ho aiza ianao, ary mitondra mankaiza ny lalana tsirairay. Azo antoka hoe faly ianao satria nanaiky hiara-dalana aminao izy! Hoatr’izany koa i Jehovah. Fantany tsara hoe aiza ho aiza isika amin’ny fandehan’ny fotoana, ary inona no miandry antsika ao aloha ao. Tsy maintsy manetry tena àry isika dia mangataka ny fanampian’i Jehovah, raha te hahazo ny faminanian’ny Baiboly. (Dan. 2:28; 2 Pet. 1:19, 20) Hoatran’ny ray be fitiavana i Jehovah, ka tiany hanana hoavy sambatra ny zanany. (Jer. 29:11) Tsy hoatran’ny ray olombelona anefa izy, satria afaka milaza mialoha an’izay hitranga amin’ny hoavy, ary marina tsara foana izay lazainy. Nasainy nosoratana ao amin’ny Teniny ny faminaniana, amin’izay isika afaka mahafantatra mialoha an’izay zava-dehibe hitranga.—Isaia 46:10. w23.08 34:3-4
Alatsinainy 1 Septambra
Hisy mazava hiposaka ho antsika avy any amin’ny avo.—Lioka 1:78.
Nomen’Andriamanitra hery hamahana ny olana rehetra mahazo ny olombelona i Jesosy. Nasehon’i Jesosy tamin’ireny fahagagana ireny, fa manana hery hamahana olana tsy ho voavahantsika samirery mihitsy izy. Afaka manafaka antsika amin’ny fototry ny olana mahazo ny olombelona, ohatra, izy. Inona izany? Ny ota sy ny vokatr’izy io, izany hoe ny aretina sy ny fahafatesana. (Mat. 9:1-6; Rom. 5:12, 18, 19) Voaporofo tamin’ny fahagagana nataony hoe afaka manasitrana ny “karazan’aretina rehetra” izy, ary afaka manangana ny maty mihitsy aza. (Mat. 4:23; Jaona 11:43, 44) Mahafehy tafio-drivotra mahery koa izy sady maharesy fanahy ratsy. (Mar. 4:37-39; Lioka 8:2) Lasa feno toky àry isika mahafantatra hoe hoatr’izany ny hery nomen’i Jehovah an’ilay Zanany! Afaka matoky tanteraka isika hoe tena hitranga ny zavatra tsara be dia be ampanantenain’Andriamanitra rehefa mitondra ny Fanjakany. Hita amin’ireny fahagagana nataon’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany ireny hoe mbola hanao an’izany maneran-tany izy, rehefa lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. w23.04 15:5-7
Talata 2 Septambra
Ny fanahy ... mikaroka ao anatin’ny zava-drehetra, na dia ny zava-dalin’Andriamanitra aza.—1 Kor. 2:10.
Raha ao amin’ny fiangonana lehibe ianao, dia matetika ianao no tsy voatondro. Angamba ianao tsy te hanangan-tanana intsony. Aza milavo lefona anefa. Inona no azonao atao? Manomàna valin-teny maromaro isaky ny fivoriana. Amin’izay rehefa tsy voatondro ianao any am-piandohan’ny fianarana, dia mety mbola ho afaka hamaly ihany any aoriana. Rehefa manomana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ianao, dia saintsaino hoe inona no ifandraisan’ny fehintsoratra tsirairay amin’ny foto-kevitr’ilay lahatsoratra. Ho afaka hanome valin-teny tsara foana ianao amin’izay, mandritra an’ilay fianarana. Ankoatra izay, dia miomàna mba hamaly amin’ireo fehintsoratra miresaka fahamarinana lalina sarotsarotra hazavaina. Mety ho vitsy kokoa mantsy no manangan-tanana amin’ireny. Ahoana anefa raha mbola tsy voatondro ihany ianao mandritra ny fivoriana maromaro? Manatòna an’ilay mpitarika alohan’ny anombohan’ny fivoriana, dia resaho aminy hoe aiza ho aiza ianao no te hamaly. w23.04 18:9-10