Alakamisy 4 Septambra
Hisy lalambe any, dia lalana hatao hoe Lalan’ny Fahamasinana.—Isaia 35:8.
Ho lasa “vahoaka masina” ho an’ny Andriamaniny ireo Jiosy tafaverina tany an-tanindrazany. (Deot. 7:6) Midika ve izany hoe tsy nila nanao fanovana izy ireo mba hampifaliana an’i Jehovah? Teraka tany Babylona ny ankamaroan’ny Jiosy, ary toa lasa zatra ny fomba fisainana babylonianina sy izay noheverin’izy ireny ho zava-dehibe. Am-polony taona taorianan’ny niverenan’ny Jiosy voalohany tany Israely, dia gaga be i Nehemia Governora, satria tsy nianatra ny fiteny jiosy akory ny zaza teraka tao Israely. (Deot. 6:6, 7; Neh. 13:23, 24) Ahoana moa no hianaran’ireny ankizy ireny ho tia sy hanompo an’i Jehovah, nefa ny teny hebreo aza tsy azony? Ny teny hebreo mantsy no tena nanoratana ny Tenin’Andriamanitra. (Ezra 10:3, 44) Nila nanao fiovana lehibe àry ireo Jiosy ireo. Ho mora kokoa aminy anefa ny hanao an’izany satria efa tany Israely ry zareo, sady efa naverina tamin’ny laoniny tsikelikely ny fivavahana madio tany.—Neh. 8:8, 9. w23.05 22:6-7
Zoma 5 Septambra
Manohana an’izay rehetra lavo i Jehovah, ary mampitraka an’izay rehetra mitanondrika.—Sal. 145:14.
Mampalahelo fa mety hisy ihany ny olana, na dia maniry hanatratra tanjona hoatran’ny inona aza isika, na hoe mahafehy tena be mihitsy. Mety ho “tratran’ny sampona”, ohatra, isika ka lasa tsy manam-potoana hanatratrarana an’ilay tanjona. (Mpito. 9:11) Na mety hiatrika zava-tsarotra isika, dia lasa kivy sy kely hery. (Ohab. 24:10) Mety hanao zavatra tsy hanampy antsika hanatratra an’ilay tanjontsika koa isika, noho isika tsy lavorary. (Rom. 7:23) Na koa isika reraka fotsiny. (Mat. 26:43) Inona àry no hanampy antsika tsy ho kivy loatra rehefa misy olana na vato misakana? Tsy voatery hilavo lefona ianao rehefa misy olana. Milaza ny Baiboly fa mety hiatrika olana na zava-tsarotra imbetsaka isika. Resahiny mazava koa anefa hoe afaka ny ho tafarina isika. Porofoinao amin’i Jehovah hoe te hampifaly azy ianao, rehefa miezaka foana na eo aza ny olana. Tsy maintsy hoe faly be izy mahita anao mikely aina manatratra ny tanjonao! w23.05 24:14-15
Asabotsy 6 Septambra
[Miezaha] ho modely ho an’ny andian’ondry.—1 Pet. 5:3.
Lasa mahay miara-miasa amin’ny olona isan-karazany ny tovolahy iray, rehefa manao mpisava lalana. Manampy azy hanao teti-bola sy hahay hitsitsy koa izany. (Fil. 4:11-13) Ahoana no atao raha te hanompo manontolo andro? Manaova aloha mpisava lalana mpanampy. Manampy anao ho vonona hanao mpisava lalana maharitra tsinona izany. Mety ho afaka hanao karazana fanompoana manontolo andro hafa ianao rehefa manao mpisava lalana, ohatra hoe mpanao fanorenana na Betelita. Tokony ho tanjon’ny lehilahy kristianina ny hahafeno fepetra ho anti-panahy, ka hanompo ny rahalahy sy anabaviny ao amin’ny fiangonana. Milaza ny Baiboly hoe “maniry hanao asa tsara” izay miezaka hahazo an’izany andraikitra izany. (1 Tim. 3:1) Tsy maintsy mahafeno fepetra ho mpikarakara fiangonana anefa aloha izy. Manampy be an’ireo anti-panahy ny mpikarakara fiangonana. Samy manetry tena ry zareo ka manompo ny rahalahy sy anabaviny, ary mazoto mitory sy mampianatra. w23.12 53:14-16