FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Romany (Meçkar)
  • Androany

Zoma 5 Septambra

Manohana an’izay rehetra lavo i Jehovah, ary mampitraka an’izay rehetra mitanondrika.​—Sal. 145:14.

Mampalahelo fa mety hisy ihany ny olana, na dia maniry hanatratra tanjona hoatran’ny inona aza isika, na hoe mahafehy tena be mihitsy. Mety ho “tratran’ny sampona”, ohatra, isika ka lasa tsy manam-potoana hanatratrarana an’ilay tanjona. (Mpito. 9:11) Na mety hiatrika zava-tsarotra isika, dia lasa kivy sy kely hery. (Ohab. 24:10) Mety hanao zavatra tsy hanampy antsika hanatratra an’ilay tanjontsika koa isika, noho isika tsy lavorary. (Rom. 7:23) Na koa isika reraka fotsiny. (Mat. 26:43) Inona àry no hanampy antsika tsy ho kivy loatra rehefa misy olana na vato misakana? Tsy voatery hilavo lefona ianao rehefa misy olana. Milaza ny Baiboly fa mety hiatrika olana na zava-tsarotra imbetsaka isika. Resahiny mazava koa anefa hoe afaka ny ho tafarina isika. Porofoinao amin’i Jehovah hoe te hampifaly azy ianao, rehefa miezaka foana na eo aza ny olana. Tsy maintsy hoe faly be izy mahita anao mikely aina manatratra ny tanjonao! w23.05 24:14-15

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Asabotsy 6 Septambra

[Miezaha] ho modely ho an’ny andian’ondry.​—1 Pet. 5:3.

Lasa mahay miara-miasa amin’ny olona isan-karazany ny tovolahy iray, rehefa manao mpisava lalana. Manampy azy hanao teti-bola sy hahay hitsitsy koa izany. (Fil. 4:11-13) Ahoana no atao raha te hanompo manontolo andro? Manaova aloha mpisava lalana mpanampy. Manampy anao ho vonona hanao mpisava lalana maharitra tsinona izany. Mety ho afaka hanao karazana fanompoana manontolo andro hafa ianao rehefa manao mpisava lalana, ohatra hoe mpanao fanorenana na Betelita. Tokony ho tanjon’ny lehilahy kristianina ny hahafeno fepetra ho anti-panahy, ka hanompo ny rahalahy sy anabaviny ao amin’ny fiangonana. Milaza ny Baiboly hoe “maniry hanao asa tsara” izay miezaka hahazo an’izany andraikitra izany. (1 Tim. 3:1) Tsy maintsy mahafeno fepetra ho mpikarakara fiangonana anefa aloha izy. Manampy be an’ireo anti-panahy ny mpikarakara fiangonana. Samy manetry tena ry zareo ka manompo ny rahalahy sy anabaviny, ary mazoto mitory sy mampianatra. w23.12 53:14-16

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alahady 7 Septambra

Nanomboka nitady an’ilay Andriamanitr’i Davida razambeny izy. ... Mbola ankizilahy izy tamin’izay.​—2 Tan. 34:3.

Mbola tanora i Josia Mpanjaka tamin’izy nanomboka nitady an’i Jehovah. Te hianatra momba an’i Jehovah sy hanao ny sitrapony mantsy izy. Tsy mora anefa ny fiainan’io mpanjaka tanora io. Nila sahy niaro ny fivavahana marina izy, nefa ny ankamaroan’ny olona nanaraka fivavahan-diso. Dia vitany ve izany? Ie! Tsy ampy 20 taona akory izy, dia efa nanomboka nanala ny fivavahan-diso tao amin’ilay tany. (2 Tan. 34:1, 2) Na mbola kely aza ianao, dia efa afaka manahaka an’i Josia, ka manapa-kevitra hitady an’i Jehovah sy hianatra momba ny toetrany. Lasa te hanokan-tena ho an’azy ianao amin’izay. Ary rehefa manokan-tena ianao, dia inona no vokatr’izany eo amin’ny fiainanao andavanandro? Eritrereto i Luke, rahalahy natao batisa tamin’izy 14 taona. Izao no nolazainy rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah izy: “Ny fanompoana an’i Jehovah no hataoko voalohany eo amin’ny fiainana manomboka izao, dia hiezaka aho mba hampifaly azy.” (Mar. 12:30) Te hanao hoatr’izany koa ve ianao? Tena mahafinaritra izany! w23.09 38:12-13

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara