4. Iza i Jesosy Kristy?
1 I JESOSY NO MESIA
“Ianao no Kristy.”—Matio 16:16
Ahoana no ahalalantsika fa i Jesosy no Mesia?
-
Nampahafantarin’i Jehovah hoe Zanany i Jesosy.
-
Tanteraka tamin’i Jesosy daholo ny faminaniana momba ny Mesia.
2 ANJELY I JESOSY TAMIN’IZY MBOLA TSY TETỲ AN-TANY
‘Nidina avy any an-danitra’ izy.—Jaona 6:38
Inona no nataon’i Jesosy tany an-danitra?
-
Namorona an’i Jesosy aloha i Jehovah, avy eo izy nampiasa an’i Jesosy mba hamoronana ny zavatra hafa rehetra. Be dia be ny zavatra nianaran’i Jesosy tamin’ny Rainy nandritra ny an’arivony tapitrisa taona.
-
Nirahin’i Jehovah hanketỳ an-tany i Jesosy.
3 TIA OLONA I JESOSY
“Avelao ny zaza hanatona ahy.”—Marka 10:14
Inona ny toetran’i Jesosy tianao?
-
Tsara fanahy i Jesosy ka tian’ny olona ny niresaka taminy.
-
Nanaja ny vehivavy i Jesosy.
-
Nanetry tena i Jesosy.
-
Tia nanampy olona i Jesosy.
4 NATAON’I JESOSY FOANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA
“Vitako ny asa nasainao nataoko.”—Jaona 17:4
Inona no nataon’i Jesosy ka tokony hataontsika koa?
-
Tsy nivadika i Jesosy rehefa naka fanahy azy ny Devoly.
-
Nanao ny sitrapon’Andriamanitra i Jesosy na naneso azy aza ny havany.
-
Tsy namaly faty i Jesosy.
-
Tsy nivadika tamin’i Jehovah mandra-pahafatiny i Jesosy.
Hebreo 10:12, 13; 1 Petera 3:18
Natsangan’i Jehovah tamin’ny maty i Jesosy ary lasa any an-danitra.