HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 23-24
Nolazaina fa Nanakorontana sy Nampirisika ny Olona Hikomy
“Niozona” ireo Jiosy tany Jerosalema fa tsy hihinana na hisotro izy ireo raha tsy efa matiny i Paoly. (As 23:12) Efa sitrapon’i Jehovah anefa ny hoe hitory any Roma izy. (As 23:11) Henon’ny zanak’anabavin’i Paoly ilay tetika nataon’ny Jiosy, ka noteneniny tamin’i Paoly. Rava àry ilay tetika. (As 23:16) Saintsaino io tantara io, ary valio ireto:
Inona no mitranga rehefa misy manao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’i Jehovah?
Iza na inona no azon’i Jehovah ampiasaina mba hanampiana antsika?
Inona no ianarantsika momba ny herim-po?