HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 25-26
Nangataka ny Hotsarain’i Kaisara i Paoly ary Nitory Tamin’i Agripa Mpanjaka
Tsy tokony hanahy isika hoe inona no holazaina, rehefa entina eo “anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka.” Na izany aza, dia tokony ho ‘vonona hiaro tena’ foana isika, rehefa misy manontany momba ny zavatra inoantsika. (Mt 10:18-20; 1Pe 3:15) Ahoana no hanahafantsika an’i Paoly, raha mitetika ny ‘hanisy ratsy antsika amin’ny alalan’ny lalàna’ ny mpanohitra?—Sl 94:20.
Mampiasa ny zontsika isika mba hiarovana ny vaovao tsara.—As 25:11
Manaja ny manam-pahefana isika rehefa miresaka aminy.—As 26:2, 3
Raha azo atao, dia hazavaintsika hoe tena nahasoa antsika sy ny olon-kafa ny vaovao tsara.—As 26:11-20