HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JAKOBA 3-5
Miezaha Hanana ny Fahendrena avy Amin’Andriamanitra
Tena mahasoa antsika ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. Manampy antsika hihavana amin’ny mpiara-manompo amintsika, ohatra, izy io. Raha tena manana azy io isika, dia ho hita amin’ny zavatra ataontsika izany.
Ny fahendrena avy amin’Andriamanitra dia:
Madio
Tia fihavanana
Mahay mandanjalanja
Vonona hankatò
Be famindram-po sy be voka-tsoa
Tsy manavakavaka na miangatra
Tsy mihatsaravelatsihy
SAINTSAINO IZAO: ‘Iza amin’ireo toetra ireo no nasehoko tato ho ato? Iza kosa no mbola mila iezahako, ary ahoana no hanaovako an’izany?’