HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | GENESISY 42-43
Tena Nahay Nifehy Tena i Josefa
Azo inoana fa nihetsi-po be i Josefa rehefa nihaona mivantana tamin’ny rahalahiny. Tampoka taminy mantsy ilay izy. Azony natao ny tonga dia nilaza hoe iza izy, dia avy eo namihina ny rahalahiny na namaly faty. Tsy maika hanao zavatra anefa izy fa nieritreritra tsara aloha. Ary ianao? Inona no hataonao raha manao ny tsy rariny aminao ny fianakavianao na ny olon-kafa? Asehon’ny tantaran’i Josefa fa ratsy ny hoe entim-po sy manao izay hitantsika fa mety fotsiny. Tena ilaina kosa ny miezaka mifehy tena sy tony foana.
Ahoana no azonao anahafana an’i Josefa rehefa miatrika olana ianao?