FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bhssm 11
  • 11. Nahoana Isika no Mijaly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 11. Nahoana Isika no Mijaly?
  • Famintinana avy ao Amin’ny Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
Famintinana avy ao Amin’ny Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
bhssm 11

11. Nahoana Isika no Mijaly?

1 TSY MAMPIJALY OLONA MIHITSY I JEHOVAH

“Sanatria an’ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy, ary sanatria an’ilay Mahery Indrindra ny hanao ny tsy rariny!”—Joba 34:10

Nahoana no be dia be no mijaly?

  • 1 Jaona 5:19

    I Satana Devoly no mitondra an’izao tontolo izao.

  • Mpitoriteny 8:9

    Ny olona ihany no mampijaly ny olon-kafa.

  • Mpitoriteny 9:11

    Sendra eo amin’ny toerana itrangan’ny loza ny olona sasany.

  • 1 Petera 5:7

    Tia antsika i Jehovah ka malahelo izy mahita antsika mijaly.

2 NILAZA I SATANA FA TSY MANANA ZO HITONDRA I JEHOVAH

“Fantatr’Andriamanitra fa ... hahiratra ny masonareo, ary ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.”—Genesisy 3:5

Nahoana i Jehovah no nila nanaporofo hoe diso i Satana?

  • Genesisy 3:2-5

    Nilaza i Satana fa tsy mahay mitondra i Jehovah. Afaka manao izay tiany, hono, ny olona, fa tsy mila an’i Jehovah hiteny hoe izao no tsara na izao no ratsy.

  • Joba 38:7

    Anjely an-tapitrisany no nahita an’i Satana nanendrikendrika an’i Jehovah.

3 TRATRA NY LAINGAN’I SATANA

‘Tsy natao hitondra samirery ny fiainany ny olona.’ —Jeremia 10:23

Nahoana ny olona no mbola mijaly foana?

  • Isaia 55:9

    Efa nanandrana fitondrana maro be ny olona. Tsy sambatra mihitsy anefa izy ireo raha tsy Andriamanitra no mitondra.

  • 2 Petera 3:9, 10

    Manam-paharetana i Jehovah ka navelany hahalala azy sy hifidy azy ho Mpitondra isika.

  • 1 Jaona 3:8

    Hasain’i Jehovah hesorin’i Jesosy ny zavatra ratsy rehetra nataon’i Satana.

4 MANOMPOA AN’I JEHOVAH

“Hendre, anaka, ... mba hamaliako an’ilay manaratsy ahy.”—Ohabolana 27:11

Nahoana isika no tsy teren’i Jehovah hanompo azy?

  • Ohabolana 30:24

    Izay voajanahary aminy ihany no ataon’ny biby. Isika kosa nataon’i Jehovah afaka mifidy ny hampifaly azy na tsia.

  • Matio 22:37, 38

    Tian’i Jehovah raha fitiavana no antony hanompoantsika azy.

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara