NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
HATSARAO NY FANOMPOANAO: Mahaiza Mitory avy eo Amin’ny Kamerà na Telefaonina eo Am-bavahady (Interphone)
NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Mandroso be izao ny teknolojia nefa koa mihabetsaka ny heloka bevava. Mihamaro àry ny olona mampiasa kamerà na telefaonina eo am-bavahady. Inona no mety ho vokatr’izany eo amintsika? Mety tsy ho sahy hitory ny vaovao tsara isika, raha ilay olona ihany no mahita antsika fa isika tsy mahita azy. Hanampy antsika hatoky tena kokoa ny soso-kevitra eto ambany.
AHOANA NO HANAOVANA AZY?
Aza tonga dia mieritreritra hoe tsy handray ilay olona. Vonona hiresaka amintsika ny ankamaroan’izy ireny
Tadidio hoe mbola tsy mampaneno sonnerie akory ianao, dia efa maka video anao ny kamerà sasany. Mety hijery anao sy hihaino an’izay lazainao koa ny olona ao amin’ilay trano, raha vao manakaiky ny vavahadiny ianao
Raha mamaly ilay olona, dia ataovy hoatran’ny hoe miresaka aminy mivantana ianao. Aza amboamboarina ny fihetsikao, ary miezaha hitsiky. Izay zavatra eritreretinao horesahina amin’ny olona hitanao mivantana ihany resahina aminy. Raha misy kamerà eo am-bavahady, dia aza atao manakaiky kely eo ny tarehinao. Tsy mety koa ny mamela hafatra raha tsy mamaly ilay olona
Tadidio fa mety mbola hijery na hihaino anao ilay olona, na dia efa vita aza ny resakareo