HIRA 94
Jehovah ô, Misaotra Noho ny Teninao!
Endrika Sary
1. Jehovah ô, misaotra noho ’lay boky iray
Nomenao mba hitari-dalana anay.
Ny fahamarinana ao dia
mandaitra hatram’izao;
Avy amin’ny fanahy ’zay voasoratra ao.
2. Mahery izy io sady mahavita mamaky
’Zay miseho ivelany sy ny ao anaty.
Ny lalànao, Jehovah,
madio tsy misy tsiny,
Satria manampy anay miaina ankehitriny.
3. ’Reo mpanoratra azy io dia mba toa anay.
Mba kivy izy ireo, dia mba diso indraindray.
Ny Baiboly tokoa re
dia sarobidy loatra;
Ny hany lazainay: Jehovah ô, misaotra!
(Jereo koa ny Sal. 19:9; 119:16, 162; 2 Tim. 3:16; Jak. 5:17; 2 Pet. 1:21.)