HIRA 12
Jehovah Tompo, Ilay Avo Indrindra
Endrika Sary
1. Jehovah Tompo, ’lay Avo Indrindra,
Mendrika hoderaina ianao
Fa lehibe ny herinao.
’Zay rariny ihany, mahitsy hatrany,
No tianao sy ataonao.
2. Ianao no miantra, mangoraka anay;
Tsinontsinona izahay,
Nefa ianao mba mihaino anay.
Ianao manoro, vonon-kanampy,
Tsy mandao fa tena Ray.
3. Manandra-peo mba hidera anao ’zao
’Reo ’zay any an-danitra any
Sy ’zahay etỳ an-tany.
Jehovah Tompo, ny fiderana
Dia ho anao irery ihany!
(Jereo koa ny Deot. 32:4; Ohab. 16:12; Mat. 6:10; Apok. 4:11.)