FANONTANIANA 6
Inona avy ny faminaniana momba ny Mesia?
FAMINANIANA
“Ianao, ry Betlehema Efrata ... avy ao aminao no hivoahan’izay hotendreko ho mpitondra eo amin’ny Israely.”
FAHATANTERAHANY
“Taorian’ny nahaterahan’i Jesosy tao Betlehema any Jodia, tamin’ny andron’i Heroda Mpanjaka, dia nisy mpanandro avy any atsinanana tonga tao Jerosalema.”
FAMINANIANA
“Ifampizaran’izy ireo ny fitafiako, ary anaovany antsapaka ny akanjoko.”
FAHATANTERAHANY
“Rehefa voafantsiky ny miaramila tamin’ny hazo fijaliana i Jesosy, dia nalain’ireo ny akanjony ivelany ary nozarainy efatra. ... Ary nalain’ireo koa ny fitafiany anankiray, izay tsy nisy zaitra, fa tenona iray ihany hatrany ambony ka hatrany ambany. Nifampiresaka izy ireo hoe: ‘Aleo tsy horovitintsika ity, fa andao isika hanao antsapaka hahitana izay hahazo azy.’ ”
FAMINANIANA
“Arovany daholo ny taolan’izany olona izany, ka tsy misy tapaka ireny na iray aza.”
FAHATANTERAHANY
“Rehefa tonga teo amin’i Jesosy anefa ireo, dia nahita fa efa maty izy ka tsy notapahiny ny ranjony.”
FAMINANIANA
‘Notrobarana noho ny helokay izy.’
FAHATANTERAHANY
‘Nolefonin’ny iray tamin’ireo miaramila ny takibany, ka tonga dia nisy ra sy rano nivoaka.’
FAMINANIANA
“Naloany ny karamako, ka farantsa volafotsy telopolo no nomeny.”
FAHATANTERAHANY
“Nankany amin’ny lehiben’ny mpisorona ny iray tamin’izy roa ambin’ny folo lahy, ilay antsoina hoe Jodasy Iskariota, ka niteny hoe: ‘Homenareo inona aho hamadihako azy ka hanolorako azy aminareo?’ Nifanaraka taminy àry ireo fa hanome azy farantsa volafotsy telopolo.”